Auteur/autrice : Adnews

VAOVAO TAMBATRA

Faritana ao anatin’ny tetikasa Wash-Cap ny hanamafisana ny filana amin’ny fahaiza-manao eo amin’ny sehatry ny rano. Fanamby lehibe ho an’i Madagasikara ny hananana rafitra stratejika ho fampandrosoana ny sehatra sy hanatsarana ny fisitrahana rano fisotro madio. Hanohana ny tetika ny Unicef Madagascar sy ny Institut suédois de recherche environnementale. Mahatratra […]

Tantsoroka ho an’ny traboina : Hamoraina ny vidin’ny kojakoja fanorenan-trano

Manara-maso tanteraka ny fanjifana sy ny famatsiana hitsinjovana ireo mponina ao Toamasina ny fanjakana. Araka izany, natomboka ny alatsinainy teo, ny fivarotana ireo kojakoja fanorenana trano toy ny tafo fanitso sy fantsika ary hazo amin’ny vidiny mirary, any an-toerana. Tetikasa hiarahana amin’ny orinasam-panjakana State Procurement Of Madagascar (SPM) ho fanampiana […]

Famokarana : Hampitomboina ny fidiram-bolan’ny tantsaha

Atao eto Antananarivo, ny 17 hatramin’ny 20 febroary izao, ny hetsika Herinandron’ny fanapariahana ny fomba famokarana ara-pambolena sy fiompiana vaovao, ny fandaharanasa «Extension Week», eto Madagasikara. Tanjona ny hampiharana ny Paikadim-pirenen’ny foto-kevitry ny vaomiera ara-pamokarana (SNVA). Nambaran’ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), Rasatarimanana José Nirina, omaly, fa tanjon’ny […]

Vondrona Eoropeanina : 370 miliara Ar ho an’ny varotra, ny rano, ny tontolo iainana

Mpiara-miombon’antoka voalohany amin’i Madagasikara ny Vondrona eoropeanina. Mitentina 370 miliara Ar ny famatsiam-bola vaovao hanohanana ny orinasa tsy miankina, ny fiarovana ny tontolo iainana ary ny famatsian-drano fisotro any Toamasina. Natao sonia, omaly, teny Mahazoarivo, ny fifanarahana famatsiam-bola avy amin’ny Vondrona eoropeanina (UE), ny primatiora ary ny minisiteran’ny Toeka­rena sy […]

FANTINA sy FINTINA

Hitsidika ny any Rosia ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël, araka ny vaovao navoakan’ny Africa Intelligence. Hihaona amin’ny filoha rosianina, Vladimir Poutine, ny tenany ho fanamafisana sy fanitarana ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. Andrasana any Paris, aorian’izany, ka hihaona amin’ny filoha frantsay, Emmanuel Macron. Naneho ny heviny momba ny […]