Auteur/autrice : Adnews

Fahasalamana : Ho avy ny vaksiny miaro amin’ny Mpox

Efa tsindrindaona amin’ny fahatongavan’ny vaksiny miaro amin’ny aretina Mpox ny maro. Nampanantena ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka fa ho avy izany ato ho ato. Nilaza ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka fa efa ho tonga eto amintsika, alohan’ny faran’ity volana febroary ity, ny vaksiny hisorohana ny aretina Mpox. Araka ny toromariky ny manam-pahaizana dia laharam-pahamehana […]

TARATRY ny KANTO

Rehefa tojo ny hafahafa, mihiratra ihany ny maso. Manomboka mipoitra matetika any anaty tambanjotran-tserasera maro ireo endrika heverin’ny Malagasy fa manimba ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy. Iharan’izany tsy miato ny tontolon’ny hira. Tonony, feony, sns, samy tsy misy fotony (fototra) avokoa. Taitra sy mifoha ilay maha Malagasy, saingy, toa […]

« Ifalio ny maraina » : Amboaran-tononkalon’i Joely Kely

Eny, poeta i Joely! «Ta­lohan’ny naha mpanao gazety, talohan’ny naha humoriste, dia mpanoratra tononkalo no nahafantarana ahy. Poeta», hoy ny nambarany. Saingy izao vao feno fepetra amoahany boky. «Ifalio ny maraina», mirakitra ireo tononkalo nosoratan’i Andrianina Ra­joelisoa, fantatry ny maro amin’ny hoe Joely Kely na C’est du Joely, izy ity. […]

Fanja Andriamanantena: Hitsahatra amin’ny seho an-tsehatra

Vaovao lehibe no nozarain’i Fanja Andriamanantena, teo amin’ny pejiny Facebook, omaly. «Tiako ny mihira an-tsehatra, fa hoatsahatro izany», hoy izy. Aorian’ilay seho iarahany amin’i Solo Andrianasolo, ny 15 marsa, sy ny «cabaret» iarahany amin’ireo mpanakanto hafa, ny 20 marsa izany, raha ny nambarany. «Tsy dia zava-baovao izany tsy fiakarana an-tsehatra […]

Ranjatohery Harilala – Soatoavina : « Aleontsika mitomany randrana manendrika ny hafa »

Diso lalana ve ny Malagasy? Tsy mety handroso mihitsy ve i Madagasikara? Aiza no mitoetra miteraka izany rehetra izany? Dinika nifanaovana tamin-dRanjatohery Harilala, akademisianina sady mpampianatra mpikaroka momba ireo tranga ireo. Gazety Taratra (*) : Mpa­hay tantara, mpikaroka, mpampianatra, mpikabary, akademisianina, mpanoratra, sns. Manao ahoana ny fahitanao ny soatoavina malagasy […]