Manara-maso tanteraka ny fanjifana sy ny famatsiana hitsinjovana ireo mponina ao Toamasina ny fanjakana. Araka izany, natomboka ny alatsinainy teo, ny fivarotana ireo kojakoja fanorenana trano toy ny tafo fanitso sy fantsika ary hazo amin’ny vidiny mirary, any an-toerana. Tetikasa hiarahana amin’ny orinasam-panjakana State Procurement Of Madagascar (SPM) ho fanampiana ireo rava trano sy fananana, taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani. «Tanjona ny hanampiana ny hamaliana haingana ny hetahetan’ny mponina mba hanarenana haingana ireo simba», hoy ny talem-paritry ny Varotra sy ny fanjifana (DRCC) ao Toamasina, Anona Allendy. Nanokafana ny hetsika ny tao amin’ny Bazar Ankirihiry izay may. Hetsika izay notarihin’ny DRCC Atsinanana sy ny tale jeneralin’ny SPM. «Anatin’ny hamehana tanteraka isika izao ka antony hanomezana tantsoroka ireo mpivarotra», hoy ny minisitra Andriamadison Haingotiana. Nampahatsiahivina fa mitohy ny fanaraha-maso ny vidin’entana sy ny tahiry ao an-toerana. Nampitandrina kosa izy amin’ireo izay minia manararaotra ny zava-misy. Tsy handefitra ny minisitera ary hentitra ny sazy amin’izany, raha ny fanazavana hatrany.
Henintsoa




