Auteur/autrice : Adnews

hIsantarana ny taona 2026: Hamoaka ny “Aza mifanambany” i Désiré

“Aza mifanambany”, io no vazo vaovao noketrehan’i Désiré nandritra ny telo volana. Rakitsary sy feo isantarany ny taona 2026. Amin’ny ankapobeny, mpanakanto mi­voy ny gadona tropikaly ity zanak’i Mananara Avaratra ity. Narindrany amin’ny gadona “coupé décalé” ny “Aza mifanambany”. Fanatanterahana ilay hoe: “Ny mpanakanto no mpitondra ny hafatry ny va­hoaka, […]

“RDJ Mozika 2025”: Sokajy 22 no hifaninanana

Hiverina ny fankasitrahana izay ho “Mpanakanton’ny taona 2025”. Io ny mari-pankasitrahana ambony indrindra, izay vaovao lehibe nivoaka nandritra ny fampahafantarana ny hetsika “RDJ Mozika 2025”, omaly, tetsy amin’ny City Art Ivandry. Ankoatra izay, hisy 22 ny sokajy hifaninanan’ireo hira nofantenana amin’ity andiany ity. Hoton­tosaina ny 21 febroary izao ny lanonana […]

Federasionin’ny basikety : Feno ny fandaharam-potoana

Nivoaka ary feno tanteraka, taorian’ny fivoriambe ny alarobia teo, ny fandaharam-potoan’ny Federasionina malagasin’ny basikety. Hisan­ta­rana izany ny fifanintsanana amin’ny fiadiana ny tapakila amin’ny “World Cup 5×5” Se­niors hatao any Sénégal, ny 26 febroary hatramin’ny 1 marsa izao. Efa anatin’ny fampivondronana tanteraka ny ekipam-pirenena malagasy amin’izao fotoana izao, eny amin’ny Lapan’ny […]

Handball : Nofoanana tanteraka ny CCCOI 2025

Notapahin’ny fikambanan’ny handball aty amin’ny ranomasimbe Indianina (AHBOI) sy ny Federasionina malagasin’ny handball (FMHB) fa foana ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina (CCCOI 2025), natao tany Toamasina. Ny fahasimban’ny Kianja mitafo, noho ny rivodoza no antony. Andrasana amin’ny fotoana manaraka ny ho tohiny. Vokatry ny fahasimban’ny Kianja mitafo ao […]

VAOVAO TAMBATRA

Nijery ifotony ny fahavoazana nihatra tamin’ny voly sy ny fiompiana ny tomponandraikitry ny fitantanam-paritry ny Fambolena sy ny fiompiana (DRAE) Alaotra Mangoro. Nanotrona azy ireo ihany koa ny avy ao amin’ny Tetikasa RizPlus, anisan’ny miasa any an-toerana. Anisan’ny tena nojerena ny mahakasika ny fiantraikan’ny rivodoza Gezani, indrindra ny vary, hamantarana […]