VAOVAO TAMBATRA

Nijery ifotony ny fahavoazana nihatra tamin’ny voly sy ny fiompiana ny tomponandraikitry ny fitantanam-paritry ny Fambolena sy ny fiompiana (DRAE) Alaotra Mangoro. Nanotrona azy ireo ihany koa ny avy ao amin’ny Tetikasa RizPlus, anisan’ny miasa any an-toerana. Anisan’ny tena nojerena ny mahakasika ny fiantraikan’ny rivodoza Gezani, indrindra ny vary, hamantarana mialoha ny taom-pambolena 2026.

Sambo miisa 3 sy lakana mandeha amin’ny maotera maromaro no nakisaky ny rivodoza Genzani teny amin’ny torapasika. Tsy misy ahina ny mety ho fisian’ny fandotoana ny moron-dranomasina anefa izany, taorian’ny fizahana nataon’ny Olep, sampandraharaha miady amin’ny fandotoana an-dranomasina ateraky ny fahaverezan’ny solika.

Anisan’ny ravan’ny rivodoza Gezani ny biraon’ny fitantanam-paritry ny Harena an-kibon’ny tany Atsinanana, ao Toamasina. Lasan’ny rivotra ny tafo, potika ireo fitaovana sy kojakoja anaty birao, sns. Efa eo am-pikarohana vahaolana ny minisitera foibe, mba tsy hampiato ny asa aman-draharaha any an-toerana.

Partager sur: