Auteur/autrice : Adnews

Sorakanto : Nodimandry i Sitraka « La Vérité »

Folaka an-dantony… Misaona ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety. Very namana, mpikambana mavitrika ny fikambanan’ny mpanao gazety mpikirakira ny vaovaon’ny kolontsaina, Sorakanto. Nodimandry teo amin’ny faha-36 taonany i Sitraka Rakotobe. Niasa tao amin’ny gazety La Verité no tena nahalalan’ny maro azy, nahazoany ny anarana Sitraka La Verité. Nanovo traikefa sy nanomboka asa […]

« Zara Lalao 2026 » : Roa andro hampiainana ireo lalao malagasy

Fampitana, fanabeazana, fanampiana ary fanohanana ireo zaza malagasy. Izay no tanjona ankapoben’ny fikambana Sombiny Haiko, araka ny fanazavana nomen’izy ireo tetsy amin’ny Ivokolo Anala­kely, omaly. Ho fanatanterahana izany, maro ireo hetsika efa notontosaina sy mbola tetikasa homanin’ny fikambanana. Akaiky indrindra amin’ izany ny «Zara Lalao 2026», hatao ny 15 sy […]

Kolontsaina, finoana : Hihaona ny taranak’ Ambohimamory

Iray amin’ireo vohitra manan-tantara eto Imerina i Am­bohimamory. Tsy avelan’ny taranaka, fianakaviana, ankohonana ho very izany fa misy hatrany ny fihaonana eo amin-dry zareo. Hifankahalalana, hifampitana vaovao sy hafatra, hana­tsarana an’Ambohimamory sy ny vakoka misy eo aminy. Iray amin’ireny toerana na faritra na trano manan-tantara ireny ny FJKM Ambohimamory Orimbato. […]

Jazz@Tohatohabato : Andrasana fatratra ny « Grande scène » rahampitso

Nizotra an-tsakany sy an-davany ny fandaharam-potoana. « Jazz Kids » narahin’ny « Jazz VIP ». Nodimbiasan’ny « Jazz Quartier ». Seho roa lehibe no andrasana anio sy rahampitso. Anio, manomboka amin’ ny 3 ora tolakandro, eo amin’ny tohatohabaton’ Antaninarenina. «Jazz Street» na ilay sehatra malalaka hanana endrika fifanakalozana ho an’ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Mirefy 20 km ny ampahany voalohany hatao amin’ny lalana avy eo Antanifotsy mankany Sahofika. Ifantohana ny fanajariana sy ny fandravonana ny lalana, ny fanomanana ireo fitaovana sy kojakoja ilaina. Vita amin’ity herinandro ity, ny fametrahana ny fitaovana vaventy ilaina amin’ny famokarana ireo akora ilaina amin’ny fanamboarana lalana (vatokely, vovobato, sns). […]