Nahitana zaza menavava nisy nanary tetsy amoron’ny reniranon’Ikopa, omaly maraina. Hitan’ny olona teo akaikin’ny tetezan’Ampasika io zaza io. Nasitrika tao anaty gony ary avy eo nofonosina harona plastika izy tamin’ny fotoana nahitan’ny olona azy. Tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana. Efa misokatra ihany koa ny fanadihadiana mahakasika ny nahavanon-doza. Tafaporitsaka […]
Auteur/autrice : Adnews
Fisavana teny Ambohibao: Olona efatra nalefa eny Tsiafahy
Niakatra fampanoavana tetsy anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany Anosy, tamin’ity herinandro ity, ny raharaha fisavana tsy ara-dalàna nataon’andian’olona tamin’ny tranon’ny teratany Sinoa iray teny Ambohibao, ny 9 jolay 2026 lasa teo. Raha ny fanazavana voaray, tsy nahazoana alalana ny fisavana nataon’izy ireo tamin’io tokantrano io. Voarohirohy tamin’izany sy voasambotra ny olona […]
Taorian’ny fotoam-bavaka: Misesisesy ireo olona hita velona
Misesisesy ny fahitana olona velonaina soamantsara taorian’ny fotoam-bavaka nandroahana devoly, natao tetsy amin’ny Parvis Analakely, ny zoma 25 jolay 2026 teo. Taorian’io fotoana io, efa am-polony ireo olona hita. Velonaina soamantsara ary tsy misy atahorana ny fahasalamany, ara-batana sy ny ara-tsaina. Amin’ny ankapobeny, tonga manatona ny fianakaviany sy mody any […]
Voalaza ho nangala-jaza: Lehilahy iray nodoran’ny fokonolona
Maty nodoran’ny fokonolona omaly, ny lehilahy iray nampangaina ho mpangala-jaza tany amin’ny fokontany Dango. Renim-pianakaviana roa samy hafa no saika niharan’ny fitsaram-bahoaka teny Ankadindramamy sy Antsirabe noho io resaka io ihany. Mila mitandrina ny rehetra! Manomboka miroso amin’ny fitsaram-bahoaka ny fokonolona. Lehilahy iray tsy salama saina, 32 taona, maty nodoran’ny […]
Pentathlon moderne – Mada 2026 : Hatao any Antsirabe ny fifaninanam-pirenena
Hontanterahina ny sabotsy 1 aogositra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara eo amin’ny taranja Pentathlon moderne. Handray izany ny faritra Vakinankaratra ka hatao ao amin’ny Kianja Lycée André Resampa Antsirabe ny fifaninanana. Araka ny nambaran’i Harimalala Poun, filoha lefitry ny Federasionina, somary natoritory ny Penthatlon tao ho ao fa efa […]




