Auteur/autrice : Adnews

Ikopa : Lehilahy iray mpaka fasika, maty

Lehilahy iray, 22 taona, maty an-drano tetsy amin’ny ranon’Ikopa, manamorona an’Andohatapenaka, teo ampitan’ny Gara routiere, omaly maraina tamin’ny 9 ora tany ho any. Roa lahy no niaraka naka fasika teny amin’io rano io, nanomboka ny maraina, raha ny fanazavan’ny olona nanatri-maso. Nandeha lakana izy ireo ary rendrika teny afovoan-drano noho […]

Naka an-keriny zaza 6 taona : 11 mianadahy tratra, iray maty voatifitra

Efa nahazo 3 tapitrisa Ar tamin’ny volabe notakiany tamin’ny ray aman-drenin’ilay zazavavy 6 taona natao takalonaina ireo mpaka an-keriny, tao Mahitsy, ny 16 mey teo. 11 mianadahy hatolotra ny fampanoavana. Saron’ny zandarimaria ireo olon-dratsy ka avotra soa aman-tsara ny zazavavy 6 taona takalonaina, tao amin’ny fokontany Masinan­driana, kaominina Mahitsy, ny […]

Basikety – “Fiba 3×3 Women’s Series” : Nandresy an’i Mongolie ary resin’i Australie ny Ankoay

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany Shanghai Chine, ny fifaninanana “Fiba 3X3 Women’s Series”, taranja basikety, nandraisan’ny An­koay vehivavy anjara. Lalao roa no natrehan’izy 4 mirahavavy, nahitana an’i Samba­trarimiora, i Sydonie, i Saro­bidy ary i Koloina. Raha hiverenana ny vokatra, nahazo fandresena iray sy faharesena iray i Madagasikara. Teo amin’ny […]

PFL – Disciples Fc : Any amin’ny manasa-dalana ny tongotra ilany

Efa tafita any amin’ny dingana manaraka ny tongotra ilan’ny Disciples Fc Vakinankaratra. Lavon’izy ireo tamin’ny isa  4 no ho 0 ny Fosa Juniors Fc Boeny, omaly, tao amin’ny kianja Rabemananjara Mahajanga. Fihaonana izay tafiditra anatin’ny lalao mandroson’ny ampahefa-dalan’ny Pureplay Football League (PFL). Raha hiverenana ny fihaonana teny an-toerana, nanindry tanteraka […]

INDRAY MIJERY

Niampy oniversite efatra no mandray ny fanadinana bakalorea amin’ity taona ity : Vakinankaratra, Itasy, Analanjirofo ary Sava miaraka amin’ireo oniversite lehibe enina. Efa mikarakara manontolo ny bakalorea izy ireo manomboka izao. Teto Antananarivo hatrany no mikarakara ny taratasy rehetra momba ny bakalorea ho an’ny faritra Vakinankaratra teo aloha. Manana mpiadina […]