Mitsinjo ny tontolo iainana ny ozinin’ny orinasa Star any Ambatolampy. Nisy ny delegasiona, notarihin’ny tale jeneraliny, Marc Pozmentier. Nampahafantatra izany ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), Max Andonirina Fontaine. Nampisehoana ny fotodrafitrasa mamokatra angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro, manana tanjaka 2MW. Tanjona ny hampihenana ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Ampela mandraharaha : vehivavy valo nahazo tohana
Tosika hanatsarana sy hampiroboroboana ny fandraharahana ataon’ny vehivavy ny tetikasa « Ampela mandraharaha » novolavolain’ny Association des femmes auto entrepreneures à Madagascar (Afam). Tanjona ny hanampiana ny vehivavy hivelatra sy hisokatra amin’ny sehatra maro samihafa. Sehatra iray anisan’ny mahasarika ny vehivavy ny tontolon’ny fandraharahana hampivoarany ny tetikasany. Antony indrindra nahatonga […]
INDRAY MIJERY
Nitombo isa ireo Lycée sy CEG nanangana klioba Hary fahalalana, hary fomba (HFHF). Mifototra amin’ny fampitana hafatra mafonja an’onjampeo mahakasika ny fanabeazana ho olom-pirenena sy ny fahasalamana ara-pananahan’ny zatovo sy ny tanora ny tetikasa klioba HFHF.45 ireo tafatsangana eny anivon’ny Dren 15, ny taona 2023. Nanomboka ny 10 jona hatramin’ny […]
Fanadinana CEPE: noraisina ny fepetra hisorohana ny hosoka
Nizotra tamim-pilaminana ny fiatrehana ny fanadinam-panjakana CEPE, omaly tontolo andro, manerana ny Nosy. Nitsidika ny foibem-panadinana CEG Antanimbarinandriana ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena misolo toerana, Randriamanantany Zely Arivelo, nijery ny fikarakarana. Nanambara izy fa anio no hanomboka ny fitsarana ny taratasim-panadinana ary hoezahina tsy hihoatra ny herinandro ny famoahana ny valim-panadinana. […]
Kianjan’i Betongolo : Kermesin’ny hery mampandry fahalemana
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny kermesin’ny Hery fiarovana sy filaminana etsy amin’ny kianjan’i Betongolo. Haharitra 8 andro ny hetsika ary hifarana ny 26 jona izao. Natomboka tamin’ny lanonam-panehoana ny Hery fiarovana sy filamanana ny lanonana. Toy izay koa ny vady miaramila sy ny vadina zandary. Tanjona ny hametrahana fandriampahalemana […]