Auteur/autrice : Adnews

INDRAY MIJERY

 Nanatanteraka fandidiana maimaimpoana ho an’ny mponina tao Port-Berger ireo dokotera miisa 4 misehatra amin’izany. Nampita ny traikefany amin’ny fanaovana asa sosialy ny loholona ao Mahajanga, Pr Tiandraza Dinaraly Odilon, mba hanala ny fahasahiranan’ny mpiara-belona.  Nanao hetsika vao maraina ny mpianatry ny Oniversiten’i Maninday Toliara mba hamahana ny olan’ ny vatsim-pianarana […]

Kaominina Belemoka (Ikongo) : Babena ny sakafo entina ho an’ny mponina

Tsy nisy ny aina nafoy vo­katry ny aretina tazo na ny tsy fanjarian-tsakafo teny anivon’ ny tobim-pahasalamana tamin’ ny kaominina telo: Ambato-fotsy, Ikongo, Maromiandra, niasan’ny mpisehatra nan­dritra ny herinandro lasa teo, araka ny tatitry ny Corupi. Ni­tombo ny isan’ny olona manatona ny tobim-pahasalamana raisina an-tanana ny fahasalamany vokatry ny fitsidihana […]

TPC Soarano-Ivandry : Andramana hitateran’olona amin’ny fihaonan’ny Sadc

Nanao tatitry ny asa vita mahakasika ny zotra an-tariby amin’ireo fiatoana N°2 izay mamaramparana ny asa ny avy ao amin’ny sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao. Hiditra amin’ny fankatoavana ara-teknika io ampahany farany io ny teknisianina iarahana amin’ny cabinet Veristas. Tsy mbola nahazoana alalana hampidirana olona ireo fitaovana mampitohy an’i Soarano […]

Bakalorea : Nisy mpitandro filaminana nivarotra laza adina

Nampitandrina ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa fa tsy hitsitsy amin’ireo mandika lalàna manoloana ny fiatrehana ny fanadinana bakalorea. Efa natao famotorana ilay voalaza fa mpi­tandro filaminana nilaza ho mivarotra laza adina. Nandritra ny fanokafana ny fanadinana Baka­lorea, omaly, nanao fi­zarana teo amin’ny pejiny ny minisiteran’ny Fampianarana ambony […]

VAOVAO TAMBATRA

Nitohy tany Brickaville ny « Diaben’ny Famo­karana », ataon’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana. Nahatratra 500 ny tantsaha sy mpiompy nahazo fiofanana, ny 17 jolay teo. Niofanana ny teknika Pfumvudza, mamokatra be amin’ny tany kely, ny fambolem-bary Papriz mampiakatra ny vokatra, ny fambolena akondro, ny fanovana ny fiompiana sns. Nampahafantarina ny tomponandraikitra […]