Maro amin’ireo Malagasy mpilalao tao amin’ny ekipam-pirenena fahiny, misehatra amin’ny taranja ara-panatanjahantena hafa tany am-piandohana. Anisan’ ireo efa nilalao baolina kitra, tao amin’ny Ajesaia, Ramanoelina Herilaza na i Lesabotsy, Malagasy mpilalao tao aminn’ny Makis, fahiny. Raha mbola lalao Rugby no resahina, tsy mbola lefy laza izany anarana hoe: « Lesabotsy » […]
Auteur/autrice : Adnews
Andiany MANAMPI : Polisy 80 mianadahy nahavita fianianana
Tontosa omaly tolakandro, tao amin’ny Lapan’ny fitsarana Anosy, ny lanonam-pitsarana fandraisana ny fianianana amin’ny maha mpikaroka fandikan-dalàna ireo Commissaire de police sy Officier de police miisa 80 mianadahy avy amin’ny andiany Manampi. Marihina fa Commissaire de police ny 30, raha Officier de police kosa ny 50. Natao izao fianianana izao […]
Fanatanjahantena – sampandraharaham-panjakana : Pao-droa ny kaominina ambonivohitr’i Toamasina
Tsy nataon’ny ben’ny Tanànan’i Toamasina, Randriafanomezantsoa Alain, ambanin-javatra ny fanohanana ny ekipan’ny kaominina, Ascut, taranja baolina kitra. Nandritra ny famaranana teo amin’ny fifaninanana fanatanjahantena anivon’ny sampandraharaham-panjakana “Asief”, tao amin’ny Kianja manara-penitra Barikadimy, ny sabotsy teo, no nahitana an’izany. Izy ben’ny Tanàna mihitsy no nitarika ny mpiasan’ny kaominina ho tonga maro […]
RN1: Mpitondra bisikileta maty voafaokan’ny fiara
Namoy ny ainy ny raim-pianakaviana iray voafaokan’ny fiara teny amin’ny lalam-pirenena voalohany, tao amin’ny fokontany Ambohipeno, kaominina Arivonimamo II, ny alahady hariva teo. Nandeha mafy ny fiara iray ka voafaoka tampoka tamin’izany, io lehilahy nitondra bisikileta io. Niakarapoka tamin’ny tany izy, vaky ra ary tsy nahatsiaro tena. Nifamonjen’ny nanatri-maso ilay […]
Ampitifirana Ankatso : Faha-77 taona nitifirana ny Lietnà Randriamaromanana Albert
Notanterahina ny sabotsy 19 jolay 2025, teny amin’ny sahan’Ampitifirana Ankatso, ny hetsi-pahatsiarovana ireo Malagasy mahery fo nitari-tolona tamin’ny hetsi-panafahana 1947-1948. Feno 77 taona ny nitifirana ireo mahery fo niady ho an’ny fahafahan’i Madagasikara teo ambany ziogan’ny mpanjakana: ny Lietnà Randriamaromanana Albert, Rakotondrabe Samuël, Ratsizafy Samuël, Lezoma ary Bekamisy. Nitarika ny […]




