Auteur/autrice : Adnews

Andoharanofotsy : Lehilay iray maty nianjera tamin’ny moto

Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tetsy Andoharanofotsy, omaly alina, tamin’ny 12 ora sy sasany tany ho any. Niseho teo amin’ny fokontany Maha­lavolona, kaominina ambanivohitra Andoharano­fotsy, distrikan’ Antananarivo Atsi­mon­­drano ny loza. Lehilahy iray 25 taona, nitondra moto avy any amin’ny lalam-pirenena fahafito iny no niharan-doza. Nandeha mafy izy ary nianjera rehefa […]

Ikopa : Lehilahy iray mpaka fasika, maty

Lehilahy iray, 22 taona, maty an-drano tetsy amin’ny ranon’Ikopa, manamorona an’Andohatapenaka, teo ampitan’ny Gara routiere, omaly maraina tamin’ny 9 ora tany ho any. Roa lahy no niaraka naka fasika teny amin’io rano io, nanomboka ny maraina, raha ny fanazavan’ny olona nanatri-maso. Nandeha lakana izy ireo ary rendrika teny afovoan-drano noho […]

Naka an-keriny zaza 6 taona : 11 mianadahy tratra, iray maty voatifitra

Efa nahazo 3 tapitrisa Ar tamin’ny volabe notakiany tamin’ny ray aman-drenin’ilay zazavavy 6 taona natao takalonaina ireo mpaka an-keriny, tao Mahitsy, ny 16 mey teo. 11 mianadahy hatolotra ny fampanoavana. Saron’ny zandarimaria ireo olon-dratsy ka avotra soa aman-tsara ny zazavavy 6 taona takalonaina, tao amin’ny fokontany Masinan­driana, kaominina Mahitsy, ny […]

Basikety – “Fiba 3×3 Women’s Series” : Nandresy an’i Mongolie ary resin’i Australie ny Ankoay

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany Shanghai Chine, ny fifaninanana “Fiba 3X3 Women’s Series”, taranja basikety, nandraisan’ny An­koay vehivavy anjara. Lalao roa no natrehan’izy 4 mirahavavy, nahitana an’i Samba­trarimiora, i Sydonie, i Saro­bidy ary i Koloina. Raha hiverenana ny vokatra, nahazo fandresena iray sy faharesena iray i Madagasikara. Teo amin’ny […]

PFL – Disciples Fc : Any amin’ny manasa-dalana ny tongotra ilany

Efa tafita any amin’ny dingana manaraka ny tongotra ilan’ny Disciples Fc Vakinankaratra. Lavon’izy ireo tamin’ny isa  4 no ho 0 ny Fosa Juniors Fc Boeny, omaly, tao amin’ny kianja Rabemananjara Mahajanga. Fihaonana izay tafiditra anatin’ny lalao mandroson’ny ampahefa-dalan’ny Pureplay Football League (PFL). Raha hiverenana ny fihaonana teny an-toerana, nanindry tanteraka […]