Mitaky ny fametraham-pialan’ny mpitondra ny depiote Rajerison Antoine, araka ny fanehoan-keviny, omaly, teny Tsimbazaza. Nohitsiny fa potika ny tanindrazana noho ny tsy fahaiza-mitantana. “Tsy tonga any amin’ny vahoaka ny tamberin’andraikitra fa lasa any amin’ireo nametraka ny fahefana”, hoy izy. Hihaona amin’ireo mpomba sy mpanohana azy, ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana […]
Auteur/autrice : Adnews
Politika ankapoben’ny fanjakana : Tanjona lehibe ny hampihena ny fahantrana
“Tanjona lehibe ny hanatrarana ny fahataran’ny fandrosoana eto amin’ny firenena amin’ny alalan’ny fampiakarana ny harin-karena faobe, ny famoronana asa, ny fanatsarana ny fahefa-mividin’ny vahoaka, ny famehezana ny fitombon’ny mponina, ary ny fanatsarana ny fitantanana mba hampihena tokoa ny fahantrana amin’ny fomba maharitra.” Io ny nambaran’ny Praiminisitra Ntsay Christian tamin’ny fifanatrehan’ny […]
Tsarao amin’ny asa
Mba mahavariana ny manaraka ilay fifanatrehana eo amin’ny governemanta sy ny depiote, omaly. Andaniny, tena mambabo ny fihainoana ny tatitry ny Praiminisitra, Ntsay Chrsitian. Moa tsy efa paradisakely ilay Madagasikara. Nahafeno 57 pejy be izao ny tahirin-kevitra mandrafitra ny asa vita raha mihoatra amin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana. Mahavelombolo ny […]
Depiote sy ny governemanta : Tototry ny fitarainana sy fitakiana ireo minisitra
Nirarakompana ny fitarainana sy fitakiana nataon’ireo depiote amin’ny fifanatrehana amin’ny mpikamban’ny governemanta, omaly, teny Tsimbazaza. Anisan’ny nitaraina amin’ny halatra omby ny depioten’i Bekily. Miisa 3 000 ireo omby very noho ny tsy fandriampahalemana. “Takinay ny hamongorana ny asan-dahalo”, hoy izy. Nahitsy koa ny depioten’Ambositra amin’ny haratsian’ny lalana ka miteraka tsy […]




