Auteur/autrice : Adnews

Tao anatin’ny 5 volana: Olona varira 7 lasibatra

Tranga fahafito tamin’ity taona ity, nisiana fakana an-keriny olona manana toetena variva, no niseho tany amin’ny distrikan’Antsirabe II, farany teo, raha ny tatitry ny fikambanana. Zokiolona 70 taona no notafihan’ny dahalo 15 mirongo fitaovam-piadiana. Notapahina mihitsy ny lohany. Miaina anaty horohoro ny olona manana toetena varira ary mahatsiaro tena ho […]

Ho oniversite niomerika ny CNtemad: Hitombo 50 000 ny hisitraka ny fampianarana ampitain-davitra

Natomboka tamin’ny fomba ofisialy omaly, teny amin’ny foiben-toeran’ny Ivontoerana misahana ny fampianarana ampitain-davitra (CNtemad), Ankadifotsy, ny famadihana azy ho lasa oniversite niomerika. Efa ny taona 2014 no napetraka ny vina sy ny paikady hahatongavana amin’izany ary natao sonia tany Paris, tamin’ity herinandro ity, ny fanomezana sorabola 3 tapitrisa euros hisantarana […]

TARATRY ny KANTO

Jaojoby sy Lion Hill, etsy amin’ny Esplanade, Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Hafakely indray ity fiarahana rahampitso 6 jona ity. Haka endrika “cabaret”, saingy ankalamanjana ary hanomboka amin’ ny 8 ora alina izany. Mbola tsy fahita ihany koa ilay fampiarahana ny efa zokiny eo amin’ny mozika sy ny mpanakanto tanora, izay efa […]

« Somaroho ! » andiany faha-12: Handrasana ny anaran’ireo vahiny mpanakanto

Nivoaka tamin’ny fakan-kevitra ho an’ny mpankafy ny anaran’i Shenseea, handray anjara amin’ny « Festival Sô­maroho ! » any Nosy Be. Tsy mbola tena raikitra anefa ny hahatongavany, raha ny fanazavana nomen’i Wawa, oma­ly, nandritra ny fihaonany ta­min’ny mpanao gazety teny amin’ny foiben’ny Yas Andra­ha­ro. « Tsy maintsy misy vahiny mpanakanto sady malaza ho avy […]

Fifaninanana « Eloquentia » : Solontena any Paris izay mandresy

Ahmed Affandi Ramanantenasoa Cheriza. Abdoul Anlim Abdillah, Manjatomalala Ratafikaharijaona Livasoa ary Anssoufouddine Rabezafy Sarah. Ireo izy efatra mianadahy hiatrika ny dingana famaranana amin’ilay fifaninanana mandaha-teny amin’ny teny frantsay, «Eloquentia». Hotontosaina ny sabotsy 7 jona izao, etsy amin’ny Arena Viva Ivandry, ma­nomboka amin’ny 9 ora maraina ny famaranana ity fifaninanana ity. […]