Auteur/autrice : Adnews

Fifidianana CNIDH : Namaky bantsilana ny lesoka Ramananirina Wilfried

“Tsy nangarahara ny fizotran’ny fifidianana ireo mpikambana mandrafitra ny CNIDH natao farany teo”, hoy Ramananirina Wilfried. Ani­san’ny nandray anjara tao anatin’izany ny tenany. Naha­tsapa goragora sy fanararaotam-pahefana teo amin’ny mpikarakara sy ny vaomiera mpanomana ary ireo teknisianina teo amin’ny minisiteran’ ny Fitsarana izy. Tsy nisy PV ny fifidianana, tsy mazava […]

Tsy fanjarian-tsakafo : Voakasika ireo faritra tena marefo

Nitombo nandritra ny enina taona nisesy ny tsy fanjariana sy tsy fahampian’ny sakafo ho an’ny ankizy ka nahatonga olona an-tapitrisa ho tafiditra amin’ny faharefoana lalina, araka ny tatitra maneran-tany manoloana ny krizy ara-tsakafo (GRFC). Mampirongatra izany maneran-tany ny fifandonana, ny olana ara-toekarena, ny toetr’andro mahery vaika ka miteraka voka-dratsy ho […]

Fikambanana IYAFP: Fanabeazana ara-pananahana ho an’ny tanora sy ny ray aman-dreny

Any amin’ny faritra Atsimo, 10 na 11 taona dia efa mitondra vohoka ny zatovovavy. Tsy mahalala ny momba ny vatany sy ny fahasalamana ara-pananahana akory ny ankamaroan’izy ireo. Antony nitondran’ny tanora IYAFP fanabeazana ara-pananahana. Enim-bolana ny fahare­tan’ny fandaharanasan’ ny International Youth Alli­ance for Family Planing (IYAFP), izay vondrom-pikambanana tanora misehatra […]

Jly Ravalomanana Richard: “Aoka hotandrovina hatrany ny fihavanana”

Nandray ireo ben’ny Tanàna avy any amin’ny distrikan’i Brickaville ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard, tetsy Anosikely, omaly. Nisy ny hafatrafatra nampitainy tamin’izany. “Aoka isika hitandro hatrany ny fihavanana sy handala ny firaisankina. Efa vita ny fifidianana ka tokony himasoan’ny rehetra ny fampandrosoana an’i Madagasikara”, hoy izy. Etsy andaniny, […]

TSELATRA

Voasambotra omaly, ireo olona roa nan­doro ny trano iray tany Tsararivotra Atsinanana, Amborovy Mahajanga, ny alahady lasa teo. Anisan’ izany ny tovovavy mpanampy an-trano teo aloha sy ny lehilahy iray nanampy azy nanatanteraka ny asa ratsy. Norobaina sy nodoran’izy ireo ny trano ary notsatohan’izy ireo tamin’ny antsy ny tovolahy nija­nona […]