Auteur/autrice : Adnews

Toetry ny andro: Ora-mikija any avaratry ny Nosy

Mikisaka mianatsimo ilay tangoron-drahona mitondra orambe sy rivotra any avaratry ny Nosy, hoy ny Meteo Mada­gasikara. Raha ny anton­tan-kevitra voaray dia mbola tomombana hatrany, amin’ny ankapobeny, ny tontolo hivoarany na dia malefaka aza ny tsiokan’ny talio. Misongadina kosa ny hafanan’ny ranomasina izay manome vahana izany fivoarany izany (28 – 30°C). […]

ESPA: novatsiana fitaovana ny Atelier LuBan

Nahazo fitaovana fanatsarana ny fampianarana ao aminy indray ny sekoly ambony politeknika (ESPA). Tafiditra ao anatin’ ny andiany faharoa amin’ny tetikasa Atelier LuBan, mikendry ny hanamafisana ny lalam-piofanana injeniera mekanika sy teknolojia momba ny informatika, ny famatsiana ireo fitaovana ireo. Hisy ihany koa ny fahatongavan’ireo Sinoa manampahaizana, teknisianina, hizara fiofanana […]

Fandaharanasa Rindra : nahazo fampitaovana informatika avo lenta ny INFA

Hanatsarana ny tamberin’andraikitra sy ny fahombiazan’ny governemanta, hampihenana ny olana politika miverimberina no nametrahana ny fandaharanasa Rindra. Mitentina 23 000 dolara ny fampitaovana ny toeram-panofanana, ahitana ordinatera 25 sy ny kojakoja samihafa miaraka amin’ny « vidéo-projécteur », « écran de projéction » ho an’ny ivontoeram-panofanana ny mpiasam-panjakana momba ny fitantanana ny raharaham-panjakana (INFA). Tohana avy […]

Fanatsaram-bokatra: hamafisina ny fahaiza-manaon’ireo teknisianina

Ho fanamafisana ny Poli­tikam-panjakana amin’ny fanatsarana ny voka-pambo­lena, natomboka omaly ka haharitra dimy andro ny atrikasa « Forum du conseil agricole (FCA) » ho fampiofanana ny fahaiza-manaon’ireo teknisianina momba ny fomba fiasa eny ifotony. Hiompana tante­raka amin’ny « agro écologie » ny atrikasa, entina hanam­piana ireo mpisehatra eny ifotony amin’ny fanapariahana ireo fomba fiasa […]