Toetry ny andro: Ora-mikija any avaratry ny Nosy

Mikisaka mianatsimo ilay tangoron-drahona mitondra orambe sy rivotra any avaratry ny Nosy, hoy ny Meteo Mada­gasikara. Raha ny anton­tan-kevitra voaray dia mbola tomombana hatrany, amin’ny ankapobeny, ny tontolo hivoarany na dia malefaka aza ny tsiokan’ny talio. Misongadina kosa ny hafanan’ny ranomasina izay manome vahana izany fivoarany izany (28 – 30°C).
Ho betsaka hatrany, araka izany, ny rotsakorana any amin’ ny faritra afovoany sy avaratra atsinanan’ny Nosy hatramin’ ny alakamisy noho ny tanjaky ny varatraza, ka mety haha­tratra 40 hatramin’ny 90 mm izany, ao anatin’ny 24 ora.
Mihatra ny filazana fampitandremana miloko mena, ho an’ny faritra Sava sy Analanji­rofo ary Atsinanana.
Heverina ny mety hisian’ny fikorontanan’ny asa aman-draharaha andavanandro, fi­handronan’ny rano amin’ireo toerana mora tondraka, fiakaran’ny renirano, fihotsahan’ny tany sy ny lalana amin’ireo toerana marefo.
Mikorontana ihany koa ny toetry ny andro any an-dranomasina, any amin’ny moron­tsiraka afovoany andrefana sy atsimo atsinanan’ny Nosy vokatry ny alondrano ateraky ny varatraza sy ny tsioka atsimo. Hanonja be ary hahery ny ranomasina. Hahatratra 2 hatramin’ny 2,6m ny haavon’ ny onja. Voakasik’izany ny eo anelanelan’Antsalova sy Mo­rombe ary Taolagnaro sy Vohi­peno. Hananosarotra ny fifamoivoizana na mety hisy faharendrehana an-dranomasina.
Fampitandremana miloko mena, eo anelanelan’Antsa­lova sy Morombe ary Tao­lagnaro sy Vohipeno.

Tatiana A

Partager sur: