ESPA: novatsiana fitaovana ny Atelier LuBan

Nahazo fitaovana fanatsarana ny fampianarana ao aminy indray ny sekoly ambony politeknika (ESPA). Tafiditra ao anatin’ ny andiany faharoa amin’ny tetikasa Atelier LuBan, mikendry ny hanamafisana ny lalam-piofanana injeniera mekanika sy teknolojia momba ny informatika, ny famatsiana ireo fitaovana ireo.
Hisy ihany koa ny fahatongavan’ireo Sinoa manampahaizana, teknisianina, hizara fiofanana amin’ny fampiasana ireo fitaovana avo lenta nomena ireo. Hametraka ny rafitra vaovao amin’ny fampiofanana indrindra koa izy ireo.
Fiaraha-miasa amin’ny sekoly ambony any Chine, TVCME sy ny TMEIS no nahazoana ny fitaovana. Ny Atelier LuBan eto Madagasikara no voalaza fa anisan’ny lehibe indrindra amin’ ireo 7 misy aty Afrika.
Nanamarika ny talen’ny ESPA fa zava-dehibe ny fiaraha-miasa satria manatsara ny famokarana ireo Malagasy teknisianina hanana fahaiza-manao. Afaka hitondra fiovana tsara sy haingana ho an’ireo orinasa eto Madagasikara.
Efatra ny karazana lalam-piofanana ao amin’ny Atelier LuBan, ankehitriny: ny Maintenance Automobile, Electricité Industrielle, Ingénierie Mécanique ary ny Technique des réseaux Informatiques.

Tatiana A

Partager sur: