Notanterahina omaly ny famindram-pitantanana teo amin’ny filohan’ny Antenimierampirenena teo aloha, Razanamahasoa Christine, sy ny filoha mpisolo toerana, Rabenirina Jean Jacques. Nisy ny hafatrafatra nifanaovana tamin’izany. Tsotra sy mazava. “Tandrovy mandrakariva ny fahamarinana na hihatra aman’aina aza izany”, hoy Razanamahasoa Christine, tetsy amin’ny Lapan’i Tsimbazaza. Nanterin’ity kandidà ho depioten’Ambatofinandrahana ity koa fa tsy mahafaty […]
Auteur/autrice : Adnews
Nenjehin’ny fokonolona: telo lahy tratra nitondra sokatra
Olona telo nitondra sokatra nosamborin’ny fokonolona tao amin’ny fokontany Ampotaka, Beheloka, Toliara II, ny 16 avrily teo. Naka sokatra miisa 21 ireo fito lahy niray tsikombakomba. Nataon’izy ireo sakafo teny an-dalana ny efatra. Nanao ny asany, nidina ifotony ny mpanara-maso sy mpiaro io karazam-biby arovana io. Nifanehitra tamin’ireo lehilahy nitondra […]
Nalaina tao Isalo: Sprinter nahatrarana baobaba 18 kesika
Tsy mety fongana! Saron’ ny zandary mpanao sakana tao Ankaramena, RN 7 PK 510+100, ny fiara Sprinter mpitondra entana nitondra zanaka baobaba na Jabihy Operculicarya decaryi 18 kesika, afakomaly vao maraina. Avy any Isalo hihazo an’i Fianarantsoa ity fiara ity no tratra nitondra ireto hazo voarara tsy azo aondrana ireto. […]
Vavitokan’ny ray aman-dreniny : maty voadonan’ny kamiaobe i Mitia
Ranomaso, horakoraka…ny an’ireo ray aman-drenin’i Mitia, ilay ankizivavikely maty voadonan’ny kamiaobe, omaly hariva, teny Ambohimangakely. Nipotsaka ny atidohany, nandriaka eraky ny arabe ny ra. Araka ny fitantaran’ireo olona nahita maso ny fitrangan’ny loza, niampita ny arabe izy no notsenain’ilay kamiaobe. Vavitokan’ny ray aman-dreniny anefa izy kanjo izao nindaosin’ny fahafatesana tampoka […]
Nokendaina sy feno dian-drangotra : renim-pianakaviana hita faty tao an-tranony
Tsy nisy namantarana azy! Potika ny tarehin’ny renim-pianakaviana iray hita faty tao an-tranony, ao Andrefan’ny abatoara, fokontany Mahitsy, afakomaly. Nokendaina sady feno dian-drangotra… Renim-pianakaviana iray 59 taona no novonoin’olon-tsy fantatra tao an-tranony ao Andrefan’ny abatoara, fokontany sy kaominina Mahitsy, distrikan’ Ambohidratrimo, afakomaly. Tonga nampilaza tao amin’ny tobim-paritry ny zandarimaria ao […]