Nisokatra omaly ary tsy hifarana raha tsy ny 23 avrily, eny amin’ny Alliance française d’Antananarivo (AFT) Andavamamba, ny “Lire en fête”, andiany fahenina. Hetsika anisan’ny lehibe indrindra eo amin’ny tontolon’ny boky sy ny vakiboky. Ahitana fampirantiana, tsenaben’ny boky, fihaonana sy fifanakalozana amina mpanoratra na mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny boky, atrikasa. […]
Auteur/autrice : Adnews
« Dago Madness Beatz » : homena sehatra ny mozika marolafy sy revolisionera
Maro karazana, marolafy, misandrahaka ary tsy misy fetra raha ny mozika malagasy. Hoporofoina anatin’ny roa andro izany, mandritra ny hetsika « Dago Madness Beatz ». Ary raha hoe sehatra ho an’ny mozika tsy maro mpivoy? Izay indrindra no antony niketrehan’ny OZ Rekordz ny “Dago Madness Beatz”. Hetsika haka endrika “festivals” […]
Oniversiten’i Toamasina : mihatsara ny kalitaon’ny fampianarana sy ny fifampiresahana
Tao anatin’ny taona maro nitondran’ny filohan’ny Oniversiten’i Toamasina ankehitriny. Mahatsapa ny rehetra fa nihatsara ny kalitaon’ny fampianarana sy ny fifampiresahana eo amin’ny rehetra. Maro ny tanora, malagasy sy vahiny, mandrato fahalalana eny anivon’ny oniversite eto amin’ny Nosy. Anisan’izany ny oniversiten’i Barikadimy sy ny any Ambatondrazaka, Vatomandry ary Fenoarivo Atsinanana. Mitondra […]
FANTINA sy FINTINA
Hidina ifotony any Toamasina, anio, ny filoha Rajoelina Andry. Hanombohana izany ny filankevitry ny minisitra. Hitohy amin’ny fitokanana sy fitsidihana ireo fotodrafitsara marobe izany. Tafiditra amin’ny famahana olana ny eny ifotony sy ny politikan’ny fanakaikezan’ny fahefam-panjakana eny anivon’ny vahoaka izao fahatongavan’ny filoha any an-toerana izao. Minisitra voalohany, nametra-pialana Andriamananoro Augustin. […]
Antenimierampirenena: tsy afa-manapa-kevitra irery ny filoha mpisolo toerana
“Efa nisy ny fivorian’ny birao maharitry ny Antenimierampirenena tamin’ny 12 avrily lasa teo, nanendry ny zokiny indrindra amin’ireo filoha lefitra enina”, hoy ny fanazavan’ny mpikamban’ny birao maharitry ny Antenimierampirenena, ny depiote Rakotomanga Lanto, teny Tsimbazaza, omaly, ny amin’ny fitantanana ny Antenimierampirenena taorian’ny fanalan’ny HCC ny filoha teo aloha, Razanamahasoa Christine. Ny […]