Nanomboka ny fanamboaran-dalana ao Ampahimanga-Manalalondo. Anisan’ny tena ratsy ny 4km amin’ny 30km mampitohy an’Ampahimanga – Amboanana, ka nambaran’ny filohan’ny ONG 2AH, Andriamihaja Andriatsimiandriambony Iadjah, fa hitadiavana fiaraha-miasa amin’ny faritra Itasy izany amin’ny fampiasana “Engin”. Na izany aza, hatao « piste » na lalantany mifanaraka amin’ny toe-tany ny fanamboarana ny lalana […]
Auteur/autrice : Adnews
Fivorian’ny COI : Manentana ny mpanao gazety ny MSK
Nambaran’ny talen’ny Serasera eo anivon’ny minisiteran’ ny Serasera sy ny kolontsaina (MSK), Rasaony Pascal, fa hanana ny adidiny amin’ny fampitam-baovao ireo mpampahalala vaovao amin’ny fandraisana ny fivorian’ny COI eto Antananarivo. Nentaniny ny mpanao gazety mba hametraka dieny izao ny fangatahana fahazoan-dalana handrakotra ny fikaroham-baovao amin’izany. “Afaka mandefa fangatahana ho an’olona […]
WMG: Hanatanteraka « Salon du Chocolat et de la Gourmandise »
Hanasongadinana ny vokatra eto an-toerana no tanjona amin’ny « Salon du Chocolat et de la gourmandise », araka ny voalazan’ny mpikarakara. Hanampiana ny vehivavy hahaleo tena ny vola azo amin’izany. Hotanterahina etsy amin’ny Carlton Anosy, ny sabotsy ho avy izao, tontolo andro, ny « Salon du Chocolat et de la Gourmandise ». Hetsika andiany […]
Iraky ny ONU : Hizara traikefa ho fisorohana loza an-dalambe
Nigadona teny Ivato, omaly, ny iraka manokan’ny sekretera jeneralin’ny ONU, i Jean Todt. Hanao fitsidihana momba ny fiahiana sy fisorohana ny loza eny an-dalana “Sécurité routière”. Hanatrika sy hizara ny traikefany momba izany izy mandritra ny fanombohana ny fanentanana ho fisorohana ny loza eny an-dalambe, hatao etsy Anosy, ny zoma […]
Fahaleovan-tena ara-tsakafo: Notolorana masomboly sy zezika biolojika ny MJS
Nanolotra hanam-pamokarana ho an’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena ny sekreteram-panjakana misahana ny Fahaleovan-tena ara-tsakafo, omaly, tetsy Mahamasina. Nahitana zezika biolojika, karazana masomboly : katsaka, tsaramaso, voatabia, sy ny maro hafa ny tolotra. Hovolena eny amin’ny tanin’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, eny Ankorondrano, ireo tolotra ireo. Hanatanteraka ny fambolena […]




