Auteur/autrice : Adnews

Minisitra Mara Volamiranty Donna: “Tsy azo ekena ny fanakorontanana…”

Nitondra fanazavana ny tranga niseho tany Toliara, ny faran’ny herinandro teo, ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Mara Volami­ranty Donna. Notsiahiviny fa misy olona any amin’ny faritra Atsimo mivoy fanakorontanana. Hen­titra sy nahitsy ity mpitondra tenin’ny governemanta ity tamin’izany. “Efa mijoro miatrika ny hoaviny ny vahoaka malagasy ka tsy […]

Olana ara-toekarena maneran-tany: Hanohana an’i Madagasikara hatrany ny ONU

Noraisin’ny filoha Rajoelina Andry, teny Iavoloha, omaly, ny mpandrindra maharitry ny Firenena mikambana, “Coordonnateur résident du système des Nations-Unies – SNU” eto Madagasikara, i Anthony Ngororano. Hohamafisina ny fiaraha-miasan’ny roa tonta. Nivoitra tamin’ny tafa nifanaovan’ny roa tonta nandritra ny ora iray sy fahefany ny fiaraha-miasan’ny ONU sy i Madagasikara. “Hotohizana […]

Randrianirina Jean Ignace : “Tsy voahaja ny fisaraham-pahefana eto Madagasikara”

Aiza ho aiza ny fisaraham-pahefana eto Madagasikara? Maneho ny fijeriny ny filoha mpiara-mitantana eo anivon’ny antoko MFM, Randrianirina Jean Ignace. Dinidinika… Gazety Taratra (*): Ny fahitanao ny fisaraham-pahefana eto Madagasikara? Randrianirina Jean Ignace (-): Tsy misy na tsy voahaja… Satria misy, ohatra, ny baiko ataon’ny mpanatanteraka any amin’ny lafiny Fitsarana. […]

Fisaraham-pahefana : Fialana amin’ny firaisana tsikombakomba sy ny ady tombontsoa no fototra

Anisan’ny miantoka ny demokrasia solontena ny fisaraham-pahefana eo amin’ny mpanao lalàna sy ny mpanatanteraka ary ny mpitsara. Tsy inona fa fialana amin’ny firaisana tsikombakomba sy ny fifandirana na ady tombontsoa. Fandalinana… Fitsipika fototry ny demokrasia solontena ny fisarahan’ny fahefana mpanao lalàna sy ny fahefana mpanatanteraka ary mpitsara. Mifanohitra amin’ny fitondrana […]

TARATRY ny KANTO

Tontonsa omaly ny fandevenana an’i Thierry. Izy ilay mpikambana ao amin’ny Feokanto, maty an-drano ny alatsinainy teo. Namita ny adidy farany taminy ireo namany tao anatin’ny tarika, izay notarihin-dRajery, mpiahy azy ireo. Nisy ny hira nataon-dry Feokanto teo am-pamaranana ny fotoam-pivavahana, nanaovam-beloma an’i Thierry. “Ny Mpitory & VLM Ankatso en […]