Mbola maro ny faritra mampanambady ny zanany aloha loatra eto Madagasikara noho ny fahantrana lalina na ny fomban-drazana fa eo koa ny fifampitaoman’ny samy ankizy fotsiny. Mitera-doza ho an’ny fiarahamonina anefa izany ka tsy maintsy ilana vahaolana. Natao ho fady any Androy sy Anosy io fampanambadiana ny ankizy aloha loatra […]
Auteur/autrice : Adnews
TARATRY ny KANTO
Hiverina indray ny ady hiragasy, etsy amin’ny Kianjan’ny hiragasy Ampefiloha. Hifandona, rahampitso, ry Fredy Kely avy eny Imerintsiatosika sy ry Rapaulson avy any Fenoarivo Gara. Manomboka amin’ny 10 ora maraina ny fidirana voalohany, haharitra mandra-paharivan’ny andro izany. 27 marsa ka hatramin’ny 31 marsa. Hanamarika ny Taombaovao Malagasy eny Ambohidratrimo ny Malagasy […]
« Duo de choc » : Folo taona nizarana ny « mozikan’ny fo » i Yvon Paul
Razakarivony Yvon Paul, fantatr’ireo mpankafy ny kanto an-kira sy mozika amin’ny hoe Yvon Paul. Mandia ny faha-10 taona nikirakirany mozika amin’ity taona 2025 ity. Mpanakanto miezaka hatrany ny manome lanja ny tononkira sy ny fandrindrana izany mba hahafeno ny famaritana ny kanto. 10 taona nizarana ny « mozikan’ny fo » izay azo […]
« Madagascar Film Festival »: Dimy andro ho an’ny sarimihetsika
Anisan’ny hetsika lehibe andrasan’ny mpisehatra amin’ny tontolon’ny sarimihetsika izy ity. “Madagascar Film Festival – ISSM Awards 2024”, izay hotontosaina mandritra ny dimy andro, hanomboka ny 26 marsa izao. Saika ao amin’ny Havoria Anosy avokoa ny hetsika, ka hisy ny fandefasana horonantsary hifaninana isaky ny sokajy ny 27 sy 28 marsa […]
Andro maneran-tany ho an’ny poezia : Nihetsika ireo poeta manerana ny faritra maro
Zavakanto tsy lefin’ny vanim-potoana ary mitoetra maneran-tany ny poezia. Toy ny isaky ny 21 marsa, miezaka manamarika ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny poezia ireo poeta manerana ny Nosy Tsy nandalo fotsiny. Faritra maro no nahazoana akony, fa nanamarika ny Andro maneran-tany ho an’ny poezia sy ny angano, omaly 21 marsa. […]




