Auteur/autrice : Adnews

Tena mila jerena

  Hanao ahoana ny fiainam-bahoaka? Tsy hita be ihany… Tsy mahafa-bela, ohatra, ny tsy fandriampahalemana, ny fidangan’ny vidim-piainana, ny tsy fisian’asa… Ny orana amin’ny famokarana aza, iri-mahory fa tafahoatra amin’izay ilaina. Hanao ahoana ihany? Na ahoana na ahoana, tsy maintsy atrehina madavantaona ny fiainana isan’andro. Eny, na eo aza, ohatra, […]

TSELATRA

Lehilahy iray, nangalatra vata fampangatsiahana, saika matin’ny fitsaram-bahoaka tetsy Fenoarivo afakomaly. Tratran’ny olona teny am-pandehanana izy, ary saika hodoran’ny olona tamin’ny lasantsy. Tonga nandrava ny fikasana sy nitondra io lehilahy io kosa ireo zandary teny an-toerana. Fiara iray nivadika tetsy Behenjy, omaly hariva. Nisongona tao anatin’ny fiolanana ny mpamily, ary […]

Saika mpamerin-keloka avokoa: Dimy ireo jiolahy maty, efatra azo sambo-belona

Dimy ireo jiolahy lavon’ny balan’ny polisy, tao anatin’ny hetsika hiadiana amin’ny fanafihana mitam-piadiana misesisesy teto Antananarivo. Efatra ireo azo sambo-belona hatramin’izao. Vehivavy rasazy, mipakaraka ireo jiolahy ny iray tamin’ireo. Efa saika mpamerin-keloka ary gadra efa nahavita ny saziny avokoa ireo jiolahy vaosambotra ireo, raha ny tatitra nataon’ny polisim-pirenena niarahan’ny DPJ, […]

Ambohimangakely : Mpianadahy mpamaky trano niara-tratra

Niaraka nosamborin’ny zandarimaria miasa eo anivon’ny zana-tobim-paritra Soamanandrariny ny mpianadahy miara-miasa manao vaky trano tao amin’ny fokontany Ambohimahitsy, kaominina Ambohomangakely, ny zoma 21 febroary teo. Manana fanalahidy am-polony karazany samihafa, hampiasain’i Rasta hanokafany tokantrano eny amin’ny manodidina izany. Hangalariny avokoa izay entana rehetra azo avadika vola. Toy ny vilany hatramin’ny […]