Auteur/autrice : Adnews

Fitsimbadihan’ny voka-pifidianana : Naneho ny alahelony Ratsiraka Sophie

Nahitsy ny depiote Ra­tsiraka Sophie, manoloana ny fivadihan’ny voka-pifidianana amin’ny kaominina Mahatsara Vatomandry. Nambarany fa nanao didy jadona amin’ny fametrahana kandida tsy voafidim-bahoaka ny fanjakana. Tsy misy ny demokrasia nefa izany no tokony himasoana, araka ny nambarany. “Very zo ny vahoaka raha efa nandresy 75% ny kandida nofidin’izy ireo. Natao […]

Mandresy miady

  Ady amin’ny fahantrana? Izay no lehibe sy maika ary imasoana hatramin’izao. Efa elaela ihany izay… Mby aiza? Tsy hita be ihany. Toa vao mainka mihamihombo sy mitombo aza ny fahantrana. Midangana ny vidim-piainana, tsy mahafa-bela ny tsy fandriampahalemana… Manampy trotraka ny haintany, mitarika fahasahiranana amin’ny famokarana, famatsian-jiro sy rano… […]

Ceni : Miandry ny Filankevi-panjakana ny famerenana fifidianana

Nitondra fanazavana manoloana ireo fifidianana ben’ny Tanàna haverina ny eo anivon’ny Ceni. Nambarany fa misy ny dingana arahana amin’izany. “Araka ny voalazan’ny fitsarana misahana ny ady ifanolanana amin’ny fanjakana: misy 12 ireo kaominina hoe haverina ny fifidianana. Misy amin’ireo kaominina ireo anefa no nampiakatra ny raharaha eny anivon’ny Filankevi-panjakana”. Io […]

TSELATRA

Lehilahy iray, mpangalatra moto, voasambotry ny polisy avy ao amin’ny Kaomisaria 67ha, ny 8 febroary lasa teo tamin’ny 1 ora maraina. Tratra nanosika io kodiaran-droa io izy nefa tsy nahitana taratasy manamarina izany. Nihaiky ny tenany fa vao avy nangalariny io kodiaran-droa io. Hatolotra ny fitsarana izy aorian’ny fanadihadiana. Taksiborosy […]

Famonoan-tena: Renim-pianakaviana hita faty nihantona

Vehivavy 24 taona hita faty nihantona tao amin’ny trano fonenany tao amin’ny kaominina ambanivohitra Ma­nambolosy, distrikan’i Ma­nanara Avaratra, afakomaly. Nofatoran’io renim-pianakaviana io tamin’ny hazon-tafo ny lamba mahazaka tao aminy. Nahodiny tamin’ny faritry ny tendany izany. Na­nampitra ny ainy io tady nahantony io. Mponina manodidina azy ireo no nahatsikaritra fisian-javatra hafahafa. […]