Nitohy ny sabotsy sy omaly, ny andro faharoa amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra na ny “Pureplay Football League” (PFL 2025), rehefa niato nandritra ny 2 volana. Anisan’ny lalao nandrasan’ny maro ny fihaonana teo amin’ny Inate FC Rouge sy ny CFFA Andoharanofotsy. Lalao notanterahina teny amin’ny kianja […]
Auteur/autrice : Adnews
Lomano – Madagascar Aquatics : Feno ny fandaharam-potoana iraisam-pirenena
Toy ny federasiona rehetra, manana ny fandaharam-potoanany ihany koa ny Federasiona malagasin’ ny lomano. Feno avokoa ny fandaharam-potoana, na ny iraisam-pirenena izany, na ny eto an-toerana. Ho an’ity taona 2025 ity, fifaninanana iraisam-pirenena efatra no efa fantatra fa lasan’ny FMN handraisana anjara. Voalohany amin’izany, ny fiadiana ny tompondaka an’i Afrika […]
DAKA AN-JORONY: Raha mahay mahazo laza
Tsy amin’ny rahahara an-kapobeny ihany no ilana fitandremana fa amin’ny fihetsika sy ny fiteny ary indrindra ny fifandraisana. Eo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena koa betsaka ireo zavatra saro-pady mila fahamalinana fatratra. Amin’izao fotoana izao, miandry ireo Inspecteur an’ny Caf ny mpitia baolina kitra malagasy, hijery ny kianjaben’ny Mahamasina. Tsy azo atao ny […]
Minisiteran’ny tanora sy fanatanjahantena: nanatanteraka fambolen-kazo teny Carion
Tsy nanadino ny adidy masina amin’ny fanatsarana ny tontolo iainana ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Nitarika izany ny minisitra Moustapha Abdulah Marson. Tanjona ny hahatonga an’i Madagasikara ho maitso. Notontosaina ny sabotsy lasa teo, teny Carion, ny hetsika fambolen-kazo nokarakarain’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), niaraka tamin’ireo departemanta […]
Taranja Echecs: Mila fanomanana ara-batana toy ny taranja rehetra
Taranjam-panatanjahantena anisan’ny tranainy kanefa mbola vitsy ny mahalala fa fanatanjahantena ny taranja Echecs. Vitsy ihany koa ny mahalala fa misy fampiasam-batana toy ny taranja rehetra izy ity, na dia tsy hita ety ivelany aza izany. Marina fa ny saina no tena miasa ao anatin’ny taranja Echecs amin’ny maha lalaon-tsaina azy, […]




