Namoaka fanambarana mandà marindrano ireo lainga aparitaka amin’ny tambajotra sosialy, milaza ny fivarotana ireo nosy maromaro manodidina an’i Nosy Be amin’ny mpampiasa vola vahiny, Emiratis, ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Nohitsin’ny fanambarana fa tsy misy fangatahana voaray na fifanarahana nosoniavin’ny fanjakana malagasy ho an’ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Loholona Rakotondrazafy Lalatiana : “Mariky ny fahatokisana no nanendrena ahy”
Voatendrin’ny filohan’ny Repoblika ho loholona Rakotondrazafy Lalatiana. Naneho ny heviny avy hatrany ny tenany, manoloana izany. “Mariky ny fahatokisan’ny filohan’ny Repoblika no nanendrena ahy”, hoy ny loholona, Rakotondrazafy Lalatiana, tamin’ny mpanao gazety, taorian’ny lanonana nametrahana samboady azy teny amin’ny Lapan’ny Antenimierandoholona, Anosy, omaly. Nitarika ny lanonana ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny […]
VAOVAO TAMBATRA
Mitotaly 10 000 ireo zana-trondro narotsaka ao amin’ny farihin’Ankadinondry Sakay nandritra ny fambolen-kazo natao tany an-toerana. Nisitraka zana-trondro ihany koa ireo fikambanan’ny mpanjono mba hahafahany mampiroborobo ny fihariany sy hanatsarany ny velo-tenan’ny tsirairay. Vita ny 93% ny asa fanarenana ny lalam-paritany, RIP71, ampahany voalohany, mampitohy an’Imerintsiatosika (RN1) sy Ambohimiarina. Mirefy 12,95 […]
Toekarena ; Nitotongana ny vokatra naondran’ i Madagasikara
Nihena 17,2% ireo entana naondran’i Madagasikara ny taona 2024 raha oharina ny taona 2023 noho ny fitotongan’ny harinkarena faobe. Nanampy trotraka izany ny fihenan’ny vola azo tamin’ny fanondranana lavanila, jirofo, nikela sy kobalta ary ireo vokatry ny orinasa afakaba. Nidina 15,4% ny vola azo tamin’ny lavanila noho ny fihenan’ny vidiny […]
« Forum économique du secteur privé »: Hisongadina ny vokatra malagasy
Hotanterahina ny 2 sy 3 mey, any Genève, ny « Forum économique du secteur privé Madagascar, terre d’opportunités » izay eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra sy ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana. Hetsika karakarain’ny Federasion’ny antenimieran’ny varotra sy ny indostria eto Madagasikara (FCCIM) sy ny Antenimieran’ny […]




