Naparitaka amin’ireo boriborintany enina ireo mpiasa vaovao 158. Hanampy tosika amin’ny fanatrarana ny tanjona amin’ny fahadiovana izy ireo. Ny boriborintany no fitaratra voalohany hitan’ny mponina. “Mankahery anareo aho fa tsy mora ny asa miandry ary manantena vokatra tsara avy amintsika”, hoy ny sekretera jeneralin’ny CUA. Polisy monisipaly 30 avy no […]
Auteur/autrice : Adnews
Atsimo sy Atsimo Atsinanana: Nampiana ireo drones mitatitra fanafody
Nifarana ny tetikasa vatsian’ny Japon vola, “Fampiasana ny paikady sy ny teknolojia vaovao hamonjena ny ain’ny vehivavy sy ny zatovovavy eto Madagasikara”. Tetikasa mifototra amin’ny fahasalamana niarahan’ny fanjakana malagasy sy ny Tahirin’ny Firenena mikambana momba ny mponina (UNFPA) ary notohanan’ny Japon. Nanamarihina ny fifaranan’ny tetikasa tao Ranomafana ny fandefasana ny […]
Tily eto Madagasikara : Mikarakara fikaonandohan’ny fanabeazana
Hisy ny fikaonandoham-pirenen’ny fanabeazana Skoto eto Madagasikara, « Karajia », hotanterahina ny 22 sy 23 mey ho avy izao. Hetsika karakarain’ny Tily eto Madagasikara. Iarahany miasa amin’ny laboratoara akademika sy ny laboratoara fikarohana momba ny fanabeazana… Tanjona ny hiresahana momba ny paikady vaovaon’ny skotisma maneran-tany hisian’ny fampifanarahana tsara kokoa amin’ny sehatra nasionaly […]
Soja Fulgence: Tsy laharam-pahamehan’ny fanjakana ny olona manana toe-tena varira
Velon-taraina ny fikambanan’ny olona manana toe-tena varira ary tena sahy miteny fa tsy mba laharam-pahamehan’ny fanjakana izy ireo. “Misy ny tsimatimanota ary matimaty foana izahay”, hoy ny filohan’ny fikambanana Soja Fulgence. Mafy ny taona 2024 ho an’ny fikambanana manana toe-tena varira. Niha mivaivay ny tsy fandriampahalemana. Nahatratra 24 ny tranga fakana […]
Lanto Ratsida: Manery antsika hahaleo tena ny fanafoanana ny USAID
Miteraka adihevitra eo amin’ny mpanara-baovao ny fanapahan-kevitry ny amerikanina ny hampitsahatra ny USAID. Milaza ny heviny kosa ny mpandinika fiarahamonina, Lanto Ratsida, ary navoitrany fa fotoana manery an’i Madagasikara hahaleo tena ara-bola izao zava-misy izao. Manoloana ny fahatapahan’ny famatsiam-bolan’ny Sampandraharaha amerikana misahana ny Fampandrosoana iraisam-pirenena USAID, maneho ny heviny i […]




