Na nihatsara aza, mbola ambany. 93 (5,48%) amin’ny 1 695 ny vehivavy voafidy ho ben’ny Tanàna. Avy amin’ny Irmar ny 53 amin’izany, 30 tsy miankina, ary 10 avy amin’ny antoko hafa. Io ny tatitry ny Safidy teny Ambatonakanga, omaly, ny fandraisana anjaran’ny vehivavy tamin’ny fifidianana kaominaly teo. Misy faritra manana vehivavy […]
Auteur/autrice : Adnews
Tsy maty momoka
Niara-nahatsiaro ny vonomoka natao ny mpiray tanindrazana, ny andron’ny 7 febroary 2009 ny Malagasy, omaly. Andro maizina teto an-drenivohitra noho ny fisian’ny faty niampatra, nitaky ny fanovana. Tsy vitan’ny nandrodana ny fitondrana fa nivadika ho fametrahana tamin’ny fomba ofisialy ny fitondrana ankehitriny ihany koa izany. Nanomboka teo ny “ […]
Andriamananoro Augustin : « Tolo-panafahana ny tamin’ny 7 febroary 2009 »
7 febroary 2009- 7 febroary 2025. 16 taona omaly ny hetsi-bahoaka teny Antaninarenina tamin’ny 2009. Notsarovana omaly izany. «Tolo-panafahana niraisan’ny vahoaka tamin’ny 2009 nandrodanana ny jadona. Voarakitra eo amin’ny tantara izany. Anjarantsika ankehitriny ny manome hasina sy lanja ny ra latsaka tamin’izany”, hoy ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena, faritany Antananarivo, […]
TSELATRA
Tratran’ny zandary omaly tamin’ny 7 ora sy sasany maraina ny fiara mpitatitra nitondra rongony tany ambony fitoeran’entana. Voasakana sy voasava teo Ankadimaimbo, fokontany Ambohibary, kaominina ambanivohitra Analavory, distrikan’i Miarinarivo izy io. Tratra, nandritra izany, ny rongony 15 kilao efa vita tao anaty sakaosy sy ny tompony. Saika hamidy any amin’ny […]
Valifaty tsy tontosa : Olona telo voasambotry ny zandary
Nosamborin’ny zandarimaria eo anivon’ny tobim-paritra Ambohimangakely ireo telo mianadahy atidoha nikasa hanao fakana an-keriny, ny 6 febroary teo. Zazalahy 4 taona zanak’olona fantatr’ireo olon-dratsy nokasainy hatao takalonaina. Niantso tamin’ny alalan’ny finday, nitaky lelavola 40 tapitrisa Ar tamin’ny renin’io zaza io ireo mpiray tsikombakomba. Nitohy ny fampitahorana fa alain’izy ireo any […]




