Auteur/autrice : Adnews

Hainahandro : « Tombony ny lavanila sy sokola malagasy »

Tsy nitsanga-menatra ny ekipa malagasy. Tonga ny sabotsy teo ny ekipam-pirenena malagasy, niatrika ny fiadiana ny tompondaka iraisam-pirenena makasika ny hainahandro, na ny « International Catering Cup 2025 ». Lahara­na fahefatra maneran-tany ny ekipa malagasy, kanefa kosa nahazo ny loka mendrika indrindra tamin’ny tsindrin-tsakafo na ny « Meilleur dessert du […]

“Slaid the night Nix” : Nampiaina ilay revy Metallica

Tsara tsodrano, sady nahavita tsara! Afaka mireharaha ny tarika Slaid sy ny Nix Band, fa nahavita nampiaina tsara ilay revy Metallica, tamin’ny alalan’ilay seho “Slaid the night Nix”, izay notontosaina ny alin’ny sabotsy teo, teny amin’ny Kudeta, Carlton Anosy. “Tsy mitsanga-menatra ny mpanakanto Malagasy”, hoy ny nambaran’i Doc Metaly, anisan’ireo […]

Mahaleo – Pumpkins… : Nodimandry i Alain Nirinasoa

Alain Mahaleo no niantsoan’ireo namany azy… Tsy mpikambana tao amin’ny tarika Mahaleo, saingy niara-nanoratra ny tantaran’ny tarika izy. Niara-niasa tamina mpanakanto maro ary fantatra teo amin’ny tontolon’ny jazz ihany koa i Alain Nirinasoa. «Hotsaroan’ny mozika sy ny namanao mpanao mozika ianao sy ny anatra ary ny torohevitrao…», hoy i Fanja […]

FANTINA sy FINTINA

Nilaza ny hanova ny fomba fiasa sy ny fanoherana ny eo anivon’ny Tim, araka ny nambaran’ny filoha nasionaliny, Ravalomanana Marc teny Avaradrano, ny sabotsy teo. Hiainga eny ifotony izany fanovana izany. Nambarany hatrany fa tsy nifanaraka tamin’ ireo mpitondra ireo ny tenany. Nirava maina indray ny fihaonana nokasain’ ny HPM […]

Andron’ny manamboninahitra lefitra : Nitaky ny hanajana ny fitsipika ny Praiminisitra

Nomarihana teo anivon’ny Vondrona mpiaro ny Andrim­pan­jakana ao amin’ny Pri­matiora (BSP) ny 1 febroary ny Andron’ny manamboninahitra lefitra. Niatrika izany ny Praiminisitra, Ntsay Christian, ka nanafatrafatra azy ireo. Nambaran’ny lehiben’ny go­ver­nemanta tamin’izany ny maha zava-dehibe ny firahalahiana sy ny firaisankina amin’ ny fiatrehana ny adidy sahanin’ny tsirairay. “Takina ao anatin’izany […]