Auteur/autrice : Adnews

Cenhosoa – Fitantanam-bola : Tale vaovao, ny Kly Randrianarisoa Andry Aurélien

Notontosaina omaly, tao amin’ny trano fivoriana an’ny Hopitaly miaramila Soavinandriana (Cenho­soa) ny famindram-pitantanana teo amin’ny tale misahana ny fitantanam-bola eo anivon’ny Cenhosoa. Nandray ny fitantanana ny tale vaovao, ny Kly Randrianarisoa Andry Aurélien, voatendry nandritra ny filankevitry ny minisitra ny 15 janoary 2025 lasa teo, misolo toerana ny Jly Andria­masinoro […]

DRFC Antanimora: Polisy sy zandary miatrika fiofanana

Polisim-pirenena miisa 10 sy zandary miisa 10 no miatrika fiofanana momba ny « renseignement Opérationnel» mandritra ny dimy andro eny amin’ny sampandraharaha misahana ny fikarohana sy fiofanana mitohy eo anivon’ny minisiteran’ny Fila­minam-bahoaka na DRFC Antanimora. Nanomboka ny 27 janoary 2025 ny fiofanana narahin’ireo mpiofana. Fiaraha-mi­asa eo amin’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka sy ny […]

Ben’ny tanàna: Kaominina 12, tsy maintsy averina ny fifidianana

Miisa 12 ireo kaominina voatery haverina ny fifidianana Ben’ny Tanàna ao aminy. Voalohany, ny kianjandrakefina, ditrikan’Ambositra, faritra Fianarantsoa. Faharoa, ny any amin’ny kaominina kalafotsy, disitrikan’Ikongo, faritra Fianarantsoa. Fahatelo ny kaominina Andohanilakaka, distrikan’Ihosy, faritra Fiana­ran­tsoa. Fahaefatra, ny kaominina Anosivelo, distrikan’i Farafangana, faritra Fianaran­tsoa. Fahadimy, ny kaominina Mahaly, distrikan’ Amboasary Atsimo, faritra […]