Auteur/autrice : Adnews

Fahasahiranana mba aoka…

  Fidangan’ny vidim-piainana, fahasahiranana noho ny haintany… Manginy fotsiny ny tsy fandriampahalemana, ny tsy fisian’asa, ny olana amin’ny famatsian-jiro… Izany no manahirana ny vahoaka amin’izao, tanisain’ny mpanao politika sasany fa mila fifanatonana, fifampidinihana, vahaolana. Izay ela izay, tsy nisy resaka firy an’izany na tanisaina lava aza ny fahasahiranam-bahoaka. Noho ny […]

Antoko MMM : «Ilaina ny fahasahiana sy ny fijoroana…»

Nanatanteraka fifampiarahabana noho ny taona vaovao ny eo anivon’ny antoko Malagasy miara-miainga, ny faran’ny herinandro teo. Nambaran’izy ireo tamin’izany ny fahitany ny toe-draharaham-pirenena. «…Tena sahirana ny vahoaka… Ilaina ny fahasahiana mijoro sy manova ho amin’ny tsaratsara kokoa», hoy ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo tamin’ny lahateniny, tetsy Ankerana. Nambarany fa […]

TSELATRA

Voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny sampandraharaham-paritra misahana ny fikarohana fandikan-dalàna ao Menabe, ny sabotsy teo, ny teratany vahiny iray, 58 taona. Voalaza fa fampirisihana ireo zaza tsy ampy taona hivaro-tena no antony nisam­borana azy. Hita tao an-tranony avokoa ireo karazana fandikan-dalàna rehetra mahakasika izany. Ankizy roa maty an-drano tany […]

Fanondranana olona antsokosoko : Enina mianadahy nalefa eny Antanimora

Enina mianadahy niray tsikombakomba manondrana Malagasy miasa any amin’ny tany arabo tra-tehaky ny polisy. Nalefa eny Antanimora tao­rian’ny fampanoavana ireo voasaringotra, ny 21 janoary teo. Nihaodihaody teny Anosy tao amin’ny toerana fanao­vana pasipaoro, olona am-polony nampiahiahy ny mpitandro filaminana. Nanaovana fanadihadiana lalina ny momba ny tany handehanan’izy ireo. Nandrisika azy […]