Nisongadina ny mpilalao voafantin’ny PFL, ny sabotsy lasa teo, tetsy Mahamasina raha nifanandrina tamin’ny Barea Chan. Nisaraka ady sahala 0 no ho 0 ny roa tonta. Maro ireo baoliana navotan’i Nina, mpiandry tsatoby Barea. Sahirana tanteraka ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar Chan, raha nifandona tamin’ny ekipa voafantin’ny Pureplay Football League […]
Auteur/autrice : Adnews
Sombim-baovao
Miverina indray ny kotrana ataon’ny ekipam-pirenena malagasy, taranja basikety, Ankoay, eny Imerikasinina, nanomboka ny sabotsy maraina teo. Natao izany mba hanamafisana ny tanjaka ho an’ny Ankoay, lehilahy. Ho fiatrehana ny fifanintsanana farany amin’ny « Afrobasket 2025 » ny fanazarantena natao. Mitohy indray ny fifaninanana hankalazana ny faha-15 taonan’ny At2B Andraisoro rehefa niato […]
Grand Maître Avoko : “Fotoana fampiakarana ny vokatra izao”
Mitohy hatrany ny fifampizarana sy fampiofanana eo anivon’ny taranja Kung fu. Ny ligin’ny Kung fu Analamanga indray no nisitraka izany. Maîtres maro no nanaraka ny fiofanana sy ny fanazarantena, niaraka tamin’ny Grand Maître Avoko. Tanjona amin’izao fitetezana faritra izao, ny hanatsarana hatrany ny vokatra ho an’ny taranja Kung fu. “Fotoana […]
Baolina kitra: Maniry ny hiaro ny voninahi- pirenena i Bolo
Efa akaiky ny lalao roa hihaonana amin’i Centrafrique sy i Ghana. Misy ireo Malagasy mpilalao milaravinahitra any ivelany, vonona hitondra ny anjara birikiny amin’ny ekipa nasionaly Barea. Ankoatra ny ao Frantsa sy La Réunion ary ireo firenena manodidina, misy Malagasy mpilalao baolina koa any Allemagne. Anisan’izany i Voahariniaina Kanto Fitiavana […]
TARATRY ny KANTO
Tsy mbola zava-dehibe ho an’ny Malagasy ny tahiry. Tsy ilay atao any am-bata akory fa ilay tantara tsy azo hamaivanina. Angon-tahiry anisan’ny tsy ampy ao amin’ny ankohonana iray no mety hitarika any amin’ ny faharavan’ny maha izy azy tanteraka… Miafara any amin’ny fahavoazan’ny fiarahamonina iray manontolo. Ny malagasy sasany indray, […]




