Fanamby lehibe napetraky ny filoha Rajoelina Andry ny fanombohana amin’ity taona ity ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena RN10, mampitohy an’Andranovory sy Ambovombe. Efa natao ny ampahan-dalana mirefy 4 km tamin’ny alalan’ny Famatsiambola anatiny (RPI). Nijery ifotony ny fizotry ny asa ny minisitry ny Asa vaventy (MTP), Rafidison Richard Théodore, omaly, […]
Auteur/autrice : Adnews
Fizahantany : Fiaraha-miasa amin’ ny TSF any Frantsa
Natao sonia, omaly, ny fifanarahana eo amin’ny Ofisim-pirenena ho an’ny fizahantany eto Madagasikara (ONTM), sy ny Fikambanana iraisam-pirenena ho an’ny fizahantany, ny «Tourisme sans frontière» (TSF). Mifantoka amin’ny lohahevitra efatra ny fiaraha-miasa. Fanamafisana ny fahaiza-manao ny ofisim-paritry ny fizahantany, amin’ny lafiny fifehezana ny tsena sy ny varotra, toy ny fikarakarana […]
Fahavitan-tena ara-tsakafo: Hapetraka ny paikady vaovao ho an’ny famokarana
Tanjon’i Madagasikara ny hahaleo tena ara-tsakafo. Hametraka paikady vaovao ny fanjakana sy ny mpisehatra isan-tsokajiny, hanatrarana izany. Atao eny amin’ny CCI Ivato, omaly sy anio (23-24 janoary), ny Fikaonandoham-pirenena ho an’ny fanatsarana ny fambolena. Nanokatra ny fotoana ny filoha Rajoelina Andry, nilazany fa tanjona ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Voakasik’izany avokoa ny […]
Hery Fiarovana sy ny filaminana : Tomban’ezaka momba ny zava-bita sy fanatsarana
«Andraikitry ny Foloalindahy manoloana ny firenena». Io no lohahevitra entin’ny Tafika Malagasy miatrika ny fivoriamben’ny tomponandraikitra ambony eo anivon’ny Tafika Malagasy, teny amin’ny Mining Business Center Ivato, omaly. Nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny minisitry ny Foloalindahy, ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin, notronin’ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny contrôleur général […]
Echecs-2025 : Hosokafana amin’ ny ekipa « mixte »
Toy ny taranja rehetra, miomana amin’ny fanokafana ny taom-pikatrohana 2025 ihany koa ny taranja lalaon-tsaina Echecs. Ho fanombohana ny taona, ny fifaninanana natokana ho an’ny ekipa sokajy «mixte» no hisantaran’ny Federasiona malagasin’ny lalaon-tsaina Echecs ny fandaharam-potoanany, amin’ity 2025 ity. Araka izany, hisy ny lalao fanokafana ny taom-pikatrohana izay hatao ny […]




