Nosy anisan’ny manan-karena kolontsaina i Madagasikara. Karazany, endriny, fiatrehana sy fanatanterahana azy, sns, saika itoeran’ny fahasamihafana avokoa… Na tsy manontolo aza, misy ny mahafantatra ny momba ny kolontsaina malagasy. Ao ireo nahatahiry na nandova. Fa, tsy vitsy ireo misandoka. Mitombo isa haingana dia haingana ireo mitonona ho mpikabary, mpanandro, mpisikidy, […]
Auteur/autrice : Adnews
SOMBIM-BAOVAO
Misongadina tanteraka ao amin’ny ekipam-pirenena Kanada, Rafanomezantsoa Loris, teratany malagasy mizaka zom-pirenena Kanadianina milalao Hockey. Ao amin’ny Oniversiten’ny Trois Rivières Quebec izy no milalao sy manovo fianarana. Lavon’i Kanada 10 no ho 2 ny ekipa nasionalin’i Etazonia, ny afakomaly teo. Afaka fito andro sisa, hifarana indray ny volana janoary. Andrasana […]
Ligue des Champions : Nosahiranin’ny PSG ny toeran’ny Manchester City
Notontosaina, omaly, tao amin’ny kianja Parc de Princes, Paris France, ny lalao nifanandrinan’ny Paris Saint Germain Fc (PSG) sy ny Manchester City, ekipa anglisy. Lavon-dry zareo ekipa mpampiantrano tamin’ny isa 4 no ho 2, ny Citizens. Fihaonana tafiditra amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, “Ligue des Champions (LDC) 2025”. Efa […]
Volley-ball-Raoelison H. : “Ilaina ny fanomanana ara-tsaina”
Ao anatin’ny fianarana ataony eny amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure), nanatanteraka ny fanohanan-kevitra nahazoana ny mari-pahaizana Master II, ny tale teknika nasionalin’ny Volley ball, Raoelison Hasimbola Fanomezana. Manodidina ny « vokatry ny harerahan’ny mpilalao volley ball » no novoaboasany, nandritra izany. Nandrosoany ny soson-kevitra amin’ny fanomanana mila ataon’ny mpilalao iray. Nohamafisin’ny DTN […]
Randrianarisoa Riana : Voatendry ho talen’ny serasera ao amin’ny MJS
Miezaka manova sy manome sehatra ho an’ireo olona vonona hitondra fanovana, amin’ny resaka fitantanana ny minisitrin’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena (MJS), i Moustapha Marson Abdulah. Notendreny ho mpiara-miasa aminy, ny tale, Randrianarisoa Riana. Tapaka nandritra ny filankevitrin’ny minisitra, ny alarobia lasa teo, fa Randrianarisoa Riana, no voatendry ho tale vaovaon’ny […]




