Auteur/autrice : Adnews

Namearison Robert : “Ny olom-pirenena no mampandroso ny kaominina misy azy”

Vita ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna. Hanao ahoana amin’izay ny fampandrosoana ifotony hoe tsy misy kaominina hadino? Maneho ny fijeriny ny avy amin’ny firaisamonina sivily, ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabea­zana olom-pirenena, i Namearison Robert. Dinidinika… Gazety Taratra (*): Ny fahitanao ny raharaham-pirenena taorian’ny fifidianana ben’ny Tanàna? I Namearison […]

TARATRY ny KANTO

Seho ara-pilazantsara eny amin’ny Trade Tower Icandry. Hotontosaina ny sabotsy 25 janoary izao izy ity, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Ha­na­fana ny fotoana i Vero Ranaivoson sy i Bodokely, hotronin’ireo vahiny maro tsy ampoizina. Seho iray hane­hoana fitiavana ireo zaza kamboty, tsy misy mpiahy ary manan-kilema, izany satria natao hanampiana […]

Nifarana ny asan’ny komity siantifika : Hampodiana ny kabeson’ny Ampanjaka Toera

Tetikasa lehibe eo amin’ny lafiny kolontsaina sy vakoka ny fampodiana ny kabeson’ny Ampanjaka Toera. Efa maro ny dingana nolalovana, ka mahavelombolo ny asa vita, hatreto. Nanolotra ny tatitra farany ho an’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Mara Vola­mi­ranty Donna, omaly, tetsy amin’ ny birao fiasany, Nanisana, ny komity siantifika. […]

Eusébia : Hizara ny “Madagascar Afro World”

Nanoritra ny lalany ireo zanaky ny mpanjakan’ny salegy. Niavaka indrindra amin’izy ireo i Eusébia, izay niaka-daza hatrany tato ho ato. Nisedra sehatra iraisam-pirenena maro, nizara ny “Madagascar Afro World” ity tovovavy ity, izay mbola hitohy sy hivelatra bebe kokoa amin’ity taom-pampisehoana 2025 ity. Mialoha izany, hisy ny fihaonany amin’ireo mpankafy […]