Auteur/autrice : Adnews

Sesilany ny fanafihana ao Toamasina: 12 tapitrisa Ariary indray voaroban’ny jiolahy

« Efa isan’andro izao fanafihana sesilany izao no miseho eto, famoizan’aina, fahaverezana fananan’ olona, faharatrana mahazo ny mpiara-belona. Lany fanahy mbola velona ny eto Toamasina », hoy ireo nanatri-maso ny fanafihana mitam-piadiana tetsy amin’ ny Cité Valpinson, parisela 11/76, tsy lavitry ny paositry ny polisin’ny Fip, etsy Ankirihiry, omaly tolakandro. Nitrangana fanafihana […]

Vaovao tambatra

 Mihodina daholo ny gropy miisa 4 any Andekaleka satria nirotsaka ny orana. Foana, araka izany, ny fanapahan-jiro na ny delestazy eto amin’ny tambajotra Antananarivo sy ny manodidina (RIA). Manamarika ny Jirama, fa fanapahana ara-teknika no atao raha misy ny jiro tapaka.  Hampiakarina ny vidin’ny trondro raisin’ny kaoperativa Fifimpava amin’ny mpanjono […]

RN6: efa azon’ny fiarakely aleha ny eo Mahavavy

Mikaroka ny fomba rehetra hamerenana amin’ny laoniny haingana ny fifamoivoizana ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP), taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Dikeledi sy ny orana nentiny. Ho an’ny lalam-pirenena, RNS5, mampitohy an’i Toamasina sy i Fenoarivo Atsinanana, faritra Analanjirofo, efa any an-toerana ny orinasa Sinohydro, manarina ny simba rehetra, toy ny manala ny […]

Fanjifana – vidim-bary: tafatsangana ny Task Force hanara-maso

Miara-miasa mandrindra ny vidim-bary ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (Mic) sy ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae). Tan­jona ny hijerena ny paikady hampidinana ny vidim-bary amin’izao fotoana. “Hapetraka ny rafitra, ny vina fohy ezaka sy lavitr’ezaka. Hovolavolaina ny lalàna hametrahana ny vidim-bary sy hanafoanana ny fanararaotana”, […]