Navoakan’ny gazety maorisianina, ny faran’ny taona 2024, fa nahazo sazy henjana ilay Malagasy mizaka ny zom-pirenena maorisianina, mpibata fonjamby, Ranaivosoa Roilya. Nosazin’ny Federasiona iraisam-pirenena, tsy mahazo mandray anjara amin’ny fifaninanana ao Maurice sy amin’ny sehatra iraisam-pirenena hatramin’ny taona 2026 ny tovovavy. Nihatra nanomboka ny 24 mey 2023 izany. Anton’izao sazy […]
Auteur/autrice : Adnews
Taranja badminton – taom-pilalaovana 2024: hamaranana ny fifaninanam-pirenena
Hotontosaina manomboka anio, hatramin’ny rahampitso alahady, eny amin’ny ANS Ampefiloha, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja badminton, sokajy senior, lahy sy vavy. Araka ny fanadihadiana natao omaly, tamin’ny loharanom-baovao iray avy eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny badminton (FMB), natao hamaranana ny taom-pilalaovana 2024 lasa teo izany. Mahatratra 87 eo ireo […]
Fanomanana ny “Chan 2025”: hosedraina amin’i Matsiatra Ambony ny Barea
Ao anatin’ny fanomanana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra, ny Barea de Madagascar. Araka izany, hosedraina amin’ny ekipa voafantin’i Matsiatra Ambony ry zalahy, amin’ity faran’ny herinandro ity. Any amin’ny tapany atsimon’i Madagasikara no nisafidy hanazatra tena ny Barea de Madagascar, amin’izao faran’ny herinandro izao. Hiatrika lalao tsapa […]
Vaovao tambatra
Harenina ny lalana eny Ambatoroka mankany Ambohipo, hatrany Ambolokandrina. Ampahany voalohany ny eo Ambatoroka sy Ambohipo (ny sampanan-dalana telo) mihazo ny tsena sy ny fiantsonana « 164 ». Faharoa, ny mankany Ambolonkandrina hatrany amin’ny fivilian-dalana Antsahamamy. Ho vita amin’ny febroary ny asa. Zara raha manodidina ny 50% sisa ny herinaratra azon’ny mpanjifa, […]
Fampidinana ny vidim-bary: harahi-maso ny dingana rehetra
Miara-misalahy ireo tomponandraikitra samihafa hijerena ny vidim-bary taorian’ny toromarika nataon’ny filoham-pirenena, ny alarobia teo. Namory ireo mpivarotra mpamongady ao Toamasina ny tomponandraikitra, ny talem-paritry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (DRIC) Atsinanana. Nisy ihany koa ny dinika niarahana tamin’ireo mpandraharaha mpanafatra entana ao Toamasina, ny talata teo. Filamatra ao […]




