Auteur/autrice : Adnews

Vaovao tambatra

Manodidina ny 35 000 Ar hatramin’ny 40 000 Ar ny vidin’ny saribao iray gony eto Antananarivo sy ny ma­nodidina. Nambaran’ireo mpaninjara, fa vidiny ao anatin’izao maintany izao ireo. Azo antoka, tsy maintsy hisondrotra raha vao mirotsaka ny orana, satria ho ratsy ny lalana any ambanivohitra. Miisa 32 ny toerana azo tsidihina ara-pizahantany […]

Fadintseranana: hampidi-bola 4 366 miliara Ar ny taona 2025

4 366 miliara Ar ny vinavinam-bola hiditra ao amin’ny fadintseranana malagasy, araka ny volavolan-dalàna mi­fehy ny tetibolam-panjakana (LFI) 2025. Ho azo avy amin’ny hetra amin’ny fanafarana vokatra ny 72%, raha avy amin’ny solika kosa ny 28%. Mitentina hatrany amin’ny 1 010 miliara Ar kosa ny haban-tseranana, raha tafakatra hatrany amin’ny 2 148 […]

Arabe migodana: mirefy 40 km ny asa fandravonana vita

Mirefy 80 km ny ampahany voalohany hatao amin’ny arabe migodana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina. Efa misasaka, 40 km, ny asa fandravonana vita. Nijery ifotony ny fanamboarana ny arabe mi­godana ny minisitry ny Asa vaventy (MTP), Rafidison Richard Théodore, sy ireo mpiara-miasa aminy, ny ala­tsinainy 6 janoary teo. Notom­ba­nana ny fivoaran’ny […]

Indray mijery

Ankoatra ny famangiana ireo mpianatra traboina vokatry ny firehetan’ny Cité Prefat N Andrainjato, nataon’ny minisitry ny Fampianarana ambony, Pr Cha­minah Loulla, nihaona tamin’ireo Conseils de direction koa ny tenany. Noresahina ny mahakasika ny lalàna mifehy ny fifidianana Filohan’ny Oniversite, ny ora fa­nampiny ary ny kalitaon’ny fampianarana. Noho ny olana ara-tsolika, […]