Auteur/autrice : Adnews

FANTINA sy FINTINA

Ho maro anisa ireo mpanolotsaina avy amin’ny mpanohitra ho an’Antananarivo Renivohitra raha tsy miova intsony ny voka-pifidianana ben’ny Tanàna farany teo. Manana mpanolotsaina miisa 24 ny Irmar raha 20 kosa ho an’ny Tim. Miisa fito ny avy amin’ny Tia tanindrazana raha telo ny an’ny Mouvement Gascar. Tokana kosa ny mpanolotsaina […]

ONU : « Mila havotsotra Rafanoharana Paul »

Natsikafon’ny “Groupe de travail sur la détention arbitraire” eo anivon’ny Firenena mi­kambana (ONU) ny 25 no­vam­bra teo, ilay “Raharaha Apollo 21”. Anisan’ny voaresaka manokana ilay Mala­gasy, Frantsay, Rafanoharana Paul. Notakin’izy ireo ny ha­motsorana azy io manoloana ny fiampangana azy ho nikasa hifofo ny ain’ny filohan’ny Repoblika. Eo koa ny fitakiana […]

Manova fomba fijery

  Miakatrakatra ny vidim-bary amin’izao, miakatrakatra ny feon’ny sasany amin’ny zotram-pifidianana, miakatrakatra ny tahotra sy fanahiana korontana… Mba miakatrakatra koa ny fomba fijery amin’izany? Tsy vitan’ny fitabatabana ny raharaha, na fampitahorana, na fandrahonana… Mila atrehina mazava: inona no hatao? Tsy ilaozan’izay manararaotra na inona mitranga sy atao. Izay no ifanaraha-maso: […]

Fampandrosoana eny ifotony : Handray ireo ben’ny Tanàna vaovao ny INDDL

Tafiditra tamin’ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ny faritra (Jir), natao tany amin’ny faritra Diana, ny herinandro teo, ny fanofanana ireo mpitantana eny ifotony. Nisahana izany ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjiram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Nisitraka fampiofanana ireo tomponandraikitra eny anivon’ny kaominina miisa 66, mandrafitra ny faritra Diana. Nahatonga […]