Auteur/autrice : Adnews

Judo-Mada 2024: Mpikatroka 257 nandray anjara

Notanterahina teny amin’ny Kianja mitafon’Ankoron­drano, ny faran’ny herinandro teo, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, sokajy Vétérans sy ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, sokajy Minimes hatramin’ny Seniors, taranja Judo. Mpi­katroka 257, avy amin’ny ligy 7, manerana ny Nosy no tonga nandray anjara. Nambaran’ny filohan’ny federasiona, Bruno Eric Said, fa nisy ireo […]

DAKA AN-JORONY: Antsibe tsara hofana ireo

Velombolo indray ny rehetra, indrindra fa ny mpankafy baolina kitra, fa niarina teo an-tanim-pahalavoana ny Barea de Madagascar. Nitraka rehefa kivy sy trotraka. Miramiran-tava toa diavolam-pararano satria nigoka fandresena indray rehefa nolazoin’ny tsy fahombiazana nisesisesy tao ho ao. Toy ny antsibe tsara hofana tokoa ireo mpilalao avy eto an-toerana ka […]

Baolina kitra U15- “Festival Ocean Indien” : Nanjakan’i Madagasikara tanteraka ny fifaninanana

Mbola misongadina aty amin’ny ranomasimbe Indianina ny Malagasy, raha ny taranja baolina kitra no hifaninanana. Nahazo medaly volamena ny Barea de Madagascar, sokajy zandriny, lehilahy sy vehivavy. Nifarana omaly, teny amin’ny Kianja Elgeco Plus By-pass, ny andro farany fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina, taranja baolina kitra, sokajy zandriny U15, […]

Sombim-baovao

Notontosaina ny alakamisy sy zoma teo, tetsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny fivoriambe nasionaly nokarakarain’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Nilaza ny lehibe an’ny FMF, Randriamanam­pisoa Alfred, fa hotolorana lelavola 3 hetsy Ariary, isaky ny telo volana avy ireo mpilalao fahiny mihoatra ny 60 taona, efa nandalo tao amin’ny ekipam-pirenena. […]

Rugby- XXL Top 12: tsy mbola misy mahatohitra ny Cosfa sy ny FTM

Notontosaina teny amin’ny Kianja Makis Andohata­pe­naka, ny tohin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasi­kara, taranja baolina lavalava “rugby”, XXL Top 12. Tsy nisy ny vokatra tsy ampoizina, mbola manjaka tanteraka amin’ ity fifanintsanana ity ireo klioba vaventy, toy ny Cosfa Miaramila sy ny FTM Man­jakaray. Raha ny voka-dalao azo teny an-toerana, […]