Tafakatra 61% ny salanisan’ireo mpampiasa vola elektronika eto Madagasikara. Niakatra io taha io tao anatin’ny dimy taona raha 9,8 tapitrisa izany ny taona 2018 ary lasa 15,8 tapitrisa ny taona 2022. Tanjona ny hampitomboina ny fampiasan’ny olona tsirairay sy ny orinasa madinika sy salantsalany ny tolotra ara-bola. Maherin’ny 12 000 […]
Auteur/autrice : Adnews
Madagascar Airlines : Miampy iray ny fiaramanidina ATR72-500
Nigadona teto Madagasikara, ny sabotsy tokony ho tamin’ny 10 ora sy 25 alina, ny fiaramanidina ATR72-500 an’ny Madagascar Airlines amin’ny lokon’ny kaompania. Hanatevina ny isan’ireo fiaramanidina miisa dimy ampiasain’ny kaompaniam-pitaterana malagasy izy io. “Dingana lehibe ao anatin’ny tantaran’ny kampania ny fahazoana ity fiaramanidina vaovao ity ary tafiditra indrindra ao anatin’ny […]
Bazar de Noël: Azo vidiana amin’ny Airtel money ny entana
Mpanohana mivantana ny foara « Bazar de Noël » atao etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena, ny 20 hatramin’ny 24 desambra izao, ny orinasa Airtel Madagasikara, karakarain’ny orinasa NComm Agency. Miavaka ity hetsika ity satria misy ny paikady noraisina amin’ ny fomba fanjifana. Ankoatra ny fandoavana lelavola, azo atao ny mividy ny entana na […]
Fandraharahana ara-bola : Tafatsangana ny paikady hanatsarana ny toekarena
Hifantoka betsaka amin’ny fanabeazana ara-bola sy ny fiarovana ny mpanjifa. Hanatsara ny fidirana sy ny fampiasana ny tolotra ara-bola mifanaraka amin’ny filana. Eo koa ny fanitarana ny tolotra sy ny vokatra ara-bola niomerika ary ny tontolo ara-pitantanana sy ny ara-dalàna. Ireo ny mandrafitra ny paikady nasionaly ho an’ny fandraharahana ara-bola […]
TSELATRA
Jiolahy roa lahy tompon’antoka amin’ny fanafihana lavon’ny balan’ny polisy tao Anosibe, ny 21 desambra teo. Nikasa hanafika Cash point ireto olon-dratsy ireto no narahin’ny mpitandro filaminana avy eo anivon’ny Sag. Dimy lahy nitam-piadiana, nitifitra ny polisy hisambotra azy ireo olon-dratsy. Vokany, lavo ny roa tamin’ireo mpandroba. Tafaporitsaka ny telo lahy […]




