Mety hikorontana indray ny toetry ny andro noho ny alondrano vaventy any an-dranomasina amin’ny morontsiraka afovoany sy atsimo andrefana ary atsimon’ny Nosy, amin’ny faran’ny herinandro. Halefaka ny tsiokan’ny varatraza amin’ny tapany voalohany amin’ny herinandro. Tombanana hahazo vahana aorian’izany. Tombanana hitoetra hatrany koa ny orana tandrifin-drahona any amin’ny faritra avaratra atsinanan’ny […]
Auteur/autrice : Adnews
VIH/Sida sy ny homamiadana mpahazo ny vehivavy : Hiara-miasa ny ONUSida sy ny Fondation Akbaraly
Nanao sonia ho fanambarana amin’ny fomba ofisialy ny fiaraha-miasa stratejika ho an’ny fahasalamam-bahoaka eto Madagasikara sy ny faritry ny ranomasimbe Indianina, tao amin’ny trano iombonan’ny Firenena mikambana, ny ONUSida sy ny Fondation Akbaraly. Mikendry ny hanamafisana ny fidirana amin’ny fisorohana, ny fitiliana ary ny fikarakarana ny VIH/Sida sy ny homamiadan’ny […]
Toamasina: Nomen-danja ireo ankizy marefo
Nisantarana ny hetsika ho amin’ny Iray volan’ny ankizy ny fidinan’ny fanjakana, amin’ny alalan’ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie, tany Toamasina. Namangy ireo ankizy marefo mipetraka amin’ny akany izy ireo. Notokanana tamin’izany koa ny trano fatoriana vaovao ho an’ireo zaza tsy manan-kialofana, 5 ka hatramin’ny 8 taona, ho […]
Karakarain’ny Remapsen any Abidjan : Fivoriana momba ny aretina tsinontsinoavina miseho amin’ny tany mafana
Hisy fivoriana momba ny aretina notsinontsinoavina mpiseho amin’ny tany mafana any Abidjan, ny volana novambra ho avy izao, karakarain’ny tambajotra Remapsen. Ahitana ireo mpanao gazety misehatra amin’ny fahasalamana sy ny tontolo iainana aty Afrika izany. Fivoriana andiany fahefatra sahanin’ny Remapsen izy ity, hanomezana vahana ny karazana aretina tsy voaresaka loatra […]
VAOVAO TAMBATRA
Tsy mitsaha-mitotongana ny vola malagasy. Tafakatra hatrany amin’ny 5 170,68 Ar ny sandan’ny euro eo amin’ny tsena fifanakalozam-bola. Porofo izany fa tafalatsaka ambany ny toekarena sy ny famokarana eto amin’ny firenena. Midangana ny vidim-piainana, miaina anaty fahantrana ny ankamaroan’ny Malagasy, miankindoha betsaka amin’ny fanafaram-bokatra ihany koa isika. Diso fanantenana tamin’ny […]