Auteur/autrice : Adnews

FC Rouge sy CFFA : Samy hampihatra ny takitikany

Hotanterahina rahampitso, eny amin’ny Kianja CFFA Iavoloha ny lalao mandroso amin’ny fifaninanana “Coupe des Champions” izay hifanandrinan’ny CFFA, tompondakan’i Madagasikara sy ny FC Rouge, tompon’ny amboara nasio­naly. Fihaonana izay hanomanan’ny ekipa roa tonta ny lalao afrikanina “Ligue des champions Caf” ho an’ny CFFA sy ny “Coupe de la conféderation Caf” […]

“Rugby à 7”, sokajy lehilahy: Hiady toerana any Ouganda ny Makis Madagasikara

Hiditra amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana amin’ny “Challenger series 3” ny Makis an’i Madagasikara ho an’ny rugby lalaovin’olona fito, sokajy lehilahy. Firenena enina no hiady ho lohany amin’izany ka tafita amin’ny “World Rugby Sevens 3” izay voalohany. Novain’ny Rugby Afrique ny rafitra hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ho an’ny rugby lalaovin’olona 7 […]

VAOVAO TAMBATRA

Hiato ny famokarana ao amin’ny UTC 1000, ao Mandroseza, ka hampikorontana ny famatsian-drano amin’ny faritra maro eto Antananarivo. Hitohy hatramin’ny alatsinainy ny asa ary tanjona ny hampitombo ny habetsaky ny avoakan’ny paompy. Voakasiky ny tetikasa ny eny amin’ny Haute ville, Faravohitra, Ambato­nakanga, Antaninarenina, Amparibe, Maha­ma­sina, Behoririka, Ankadifotsy, Manjakaray, Anjanahary, Amboditsiry, […]

Orange Madagascar : Manohana amin’ny sehatra niomerika

Natao tao amin’ny Orange Digital Center Fianarantsoa, omaly, ny hetsika “Master­class”. Ho tohin’ny fankala­zana nasionaly ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny tanora, ny 12 sy 13 aogositra izany. Hetsika nahasarika tanora maherin’ny 5 000. Tanjona ny hanome tantsoroka sy fahaiza-manao ho an’ny tanora, hahafahany mamadika ny hevitra ananany ho lasa tetikasa. […]