Auteur/autrice : Adnews

« Grand Tournoi d’Antananarivo » : lavon’ny US Pro ny Mama FC

Notanterahina omaly, teny amin’ny kianjan’Ambohidra­trimo, ny andro faharoan’ny fifaninanana baolina kitra, “Grand Tournoi Antananarivo (GTA)”. Lavon’ny US Pro klioba avy amin’ny ligin’Analamanga, tamin’ny isa 1 no ho 0 ny Mama FC “OPL”. Raha hiverenana ny lalaon’ny roa tonta, ady sahala 0 no ho 0 nentin’izy ireo niala sasatra. Rehefa nandeha […]

Kitra – Fandaharanasa TDS : tetikasa hananganana Barea U.17

Tanterahina eto Madagasikara ny fandaharanasa fampiroboroboana ny talenta, amin’ny taranja baolina kitra, ho an’ireo kilonga 13 taona. Tanjona ny hananganana Barea U.17, handray anjara amin’ny « Can 2026 ». Nanomboka tamin’ny fomba ofisialy omaly, teny amin’ny Novotel Ivandry ny tetikasa fampi­roboroboana ny talenta eo amin’ny taranja baolina kitra. Fanda­ha­ranasan’ny federasiona iraisam-pirenena (FIFA) izy ity […]

Tsiroanomandidy: trano roa may nodoran’ ny dahalo

Nodoran’ny dahalo ny trano fonenana, nentin’izy ireo ny omby miisa dimy tao amin’ny tanànan’Ambohimamory, kaominina ambanivohitra Ambatolampy, distrikan’i Tsiroanoman­didy, ny alin’ny alatsinainy 4 desambra teo. Nitam-piadiana ireo dahalo. Norobain’izy ireo avy hatrany ny omby tao anatin’ny vala ary nodorany ny tanàna. Tsy nilavo lefona anefa ny fokonolona ka nanara-dia. Nanampy […]

Fanapahan-doha tao Vondrozo : ombiasy sy dahalo iray lavon’ny bala

Maty voatifitry ny mpi­tandro filaminana ny ombiasy iray sy ny dahalo namany nandritra ny fisamborana azy ireo tao Vondrozo, distrikan’i Farafangana, ny alin’ny alatsinainy 4 desambra teo. Nikasa hanatanteraka ny sorona faharoa ahafahan’izy ireo mahazo ny rano mavesatra na « mercure » ireo dahalo ireo, araka ny fanadihadiana nata­on’ny zandary tamin’ireo namany izay efa voasambotra. Nidina ifotony nanamarina […]

Fikarohana: tsy mipaka any amin’ny vahoaka ny ankamaroany

Nanatanteraka atrikasa tetsy Anosy ireo fivondronamben’ny Mpikaroka eto Madagasikara, afakomaly. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa «Projet de préparation aux pandémies et renforcement des services essentielles de santé de base», izany. Nan­draisan’ny minisitera efatra anjara ka tanatin’izany, ny Fampi­anarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny atrikasa. Tsy mbola tena mifankahalala ny mpikaroka […]