Naneho ny heviny manoloana iny fifidianana ben’ny Tanàna ny 11 desambra teo iny ny filoha mpiara-mitantana ny MFM, Randrianirina Ignace na Ramasy. Nohitsiny fa betsaka ny lesoka tamin’izany. Nanomboka tamin’ny fikarakarana ny fifidianana izany ka hatramin’izao hivoahan’ny voka-pifidianana izao. “Antony nahatonga anay miteny hatrany ny tokony hanadiovana ny tokotany aloha”, […]
Auteur/autrice : Adnews
Randriamasinoro Ny Riana: « Tsy izahay no resy fa ny fahamarinana sy ny vahoaka »
Anisan’ireo antoko tonga teny amin’ny foiben’ny Vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni) teny Alarobia, ny antoko Tiako i Madagasikara (Tim). Nitarika izany ny sekretera jeneralin’ny antoko, Randriamasinoro Ny Riana. Hanao fampitoviana ny voka-pifidianana teo am-pelatanan’izy ireo, araka ny vokatra avy amin’ireo delegen’ny antoko amin’ny eo am-pelatanan’ny Ceni. Tsy nahazo […]
Voka-pifidianana : Takin’ny KMF/Cnoe ho isaky ny biraom-pifidianana
Nisy ny tsy fahatombanana tamin’ny fifidianana farany teo… Manoloana izany, takin’ny KMF/Cnoe ny famoahana ny vokatra isaky ny biraom-pifidianana rehetra. Tsy resy lahatra amin’ny famerenana ordonansa ny fikambanana fa kajikajy politika sy manakorontana, araka ny fanambaran’ny KMF/Cnoe KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena. “Fifidianana fanoitry ny fampandrosoana no mendrika ny Malagasy”, novakin’ny filohany, […]
Safidin’i Madagasikara: “Vonjeo ny vahoaka malagasy”
Nandefa taratasy misokatra ho an’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny eo anivon’ny antoko Safidy ho an’i Madagasikara, tarihin-dRakotoarijaona Nirina. “Nano antso avo aminareo mpiara-miombon’ antoka rehetra izahay mba hamonjena ny vahoaka, manoloana izao loza mihatra eto amin’ny firenena izao”, hoy izy ireo. Notanisaina an-taratasy ho an’ny sehatra iraisam-pirenena ny tsy fandriampahalemana, ny […]
Antenimierampirenena: Karaman’ny depiote no ividianana fiara 4×4
“Ny fiara tsy mataho-dalana homena ny depiote dia tsy nalaina tamin’ny kitapom-bolam-panjakana no hividianana azy, fa nalaina tamin’ny karaman’ny depiote”, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny Antenimierampirenena, i Tokely Justin, teny Tsimbazaza, omaly, ny amin’ny fividianana fiara 4×4 ho an’ny depiote. Ny tambin-karama fanonerana ny fitaterana ao anatin’ny karamany no akana azy. […]




