Notanterahina tao amin’ny CCEsca Antanimena, ny faran’ ny herinandro teo, ilay seho an-tsehatra niarahan’i Erick Manana sy i Dama. Na tsy hipoka aza ny efitrano, tsapa hatrany ilay hafanana nampifamatotra azy mirahalahy sy ny mpijery teny an-toerana. Nasongadin’ny fizarana tsirairay izany. Na, i Erick Manana sy ny gitarany, na i […]
Auteur/autrice : Adnews
Mahamasina : nihaona tamin’ny mpankafy i Goulam
Tontosa tetsy amin’ny Kianjan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny sabotsy teo, ny fampisehoana nataon’i Goulam, mpanakanto kaomorianina, tonga nanatanteraka seho eto Madagasikara. Nihemotra tamin’ny 6 ora hariva ny fanombohan’ny fampisehoana, raha toa ka tamin’ny 2 ora sy sasany tolakandro ny fotoana nifanomezana. Tsy niala fa teo hatrany ireo mpankafy tonga namaly ny […]
Kaonseritra teny Ivato : nampihetsi-po ny fihaonan’i Anisha Jo tamin’ny mpanatrika
Fampisehoana nahasarika ny mpankafy maro ny nataon’i Anisha Jo, omaly. Seho feno fitiavana sy fihetseham-po tanteraka. Tontosa tetsy amin’ny CCI Ivato, omaly tolakandro, ny kaonseritra lehibe nataon’i Anisha Jo. Fihaonana voalohany tamin’ny mpankafy azy teto Madagasikara, taorian’ny nandrombahany ny fandresena tamin’ny fifaninanana « Star Academy 2022 ». Fotoana iray io nanolorany seho […]
VAOVAO TAMBATRA
Miisa 232 688 ireo mpizahatany tonga teto Madagasikara, nandritra ny 11 volana, taona 2024. Mahatratra 26 158 ireo antontanisan’ny mpizahatany nitsidika ny Nosy malagasy nandritra ny volana novambra teo. Niakatra ity taherimarika ity raha oharina ny tamin’ny taona 2019 izay 23 980. Porofo izao fa manomboka miarina ny sehatry ny fizahantany eto amintsika. […]
Krismasy mizara hafaliana: mamy ny fiarahana tamin’ny Orange Madagascar
Vonona hiara-hiaina sy hitondra fampandrosoana ary hanohana ny Malagasy hatrany ny Orange Madagascar. Nisy ny hetsika « Krismasy mizara hafaliana » niarahany nitotorebika tamin’ireo mpanjifa, mpiara-miombon’antoka samihafa, mpiasa avy ao amin’ny Orange Madagascar ary ireo ankizy avy ao amin’ny fikambanana Orange solidarité Madagascar, teny Ilafy, omaly. Fotoana mamy nifampizaran’ny rehetra hafaliana amin’izao […]




