Auteur/autrice : Adnews

MIC : Hanao varavarana misokatra

Hifampizara ireo asa ho an’ny fampiroboroboana ny toekarena ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (MIC), mandritra ny varavarana misokatra ho an’ny rehetra ny 17 sy 18 desambra, eny Ambohidahy.Tanjona ny hanomezana sehatra sy hifampizarana ny asa ataon’ny minisitera. Hampahafantariny, mandritra izany, ny asa vita sy ireo fandaharanasa isan-karazany. […]

IndriConnect : Vovonana mampifandray ny mpiaro ny tontolo iainana

Vovonana ahitana ireo antontam-baovao, hita sy torohevitra ary torolalana, ho an’ireo mpisehatra samihafa ao anatin’ny tontolo iainana ny IndriConnect . Nampahafantarin’ny Ini­tia­tive for Development Restoration Ecological and Innovation (Indri), ny zoma teo, teny Ambodivona, ity vovonana niomerika ity. « Tanjona ny hanamorana ny fahazoana ireo antontam-baovao ho an’ireo mpisehatra amin’ny fiarovana ny […]

INDRAY MIJERY

Ho fitandroana ny fandriampahalemana ao amin’ny faritra Menabe, ho fanomezana fahazai-manao ireo Tanora Aron’ny Vahoaka (TAV) miisa 3 173 sy ny vahoakan’i Mahabo miisa 2 679, natomboka ny faran’ny herinandro, tao amin’ny distrikan’i Mahabo, ny fampiofanana. Hiarahan’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa sy ny zandarimariam-pirenena ao an-toerana manatanteraka. […]

CNELA 50 taona: mpianatra 155 notolorana mari-pahaziana

Ao anatin’ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny Ivon­toerana nasionaly mampianatra ny teny anglisy (Cnela), nisy ny fizarana mari-pahaizana teny amin’ny Espace Rose By-pass, ny herinandro lasa teo. Mpianatra 155 nahavita fianarana ny taona 2024 no notolorana izany. Ivontoeram-pampianarana eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fam­pia­narana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny Cnela. Ahitana […]

Rivodoza Chido: Tsy namela takaitra ho an’ny mponina

Tsy misy ahina intsony ny fiantraikan’ilay rivodoza Chido amin’ny toetry ny andro an-tanety eto Madagasikara, nanomboka ny sabotsy lasa teo, araka ny fanazavana avy amin’ny Foibe famantarana ny toetry ny andro. Tsy naharay fanambarana fahasimban-javatra ny teny anivon’ny BNGRC hatramin’ny faran’ny herinandro, araka ny tatitra navoakany fa misy kosa ny […]