Higadona eto an-tanindrazana, anio, ny ekipam-pirenena malagasy, taranja tsipy kanetibe lehilahy, avy niatrika ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany 2024. Ho tsenaina amin’ny fomba makotroka ireo maherifo ireo izay avy nitondra avo ny voninahi-pirenena tany Dijon, France. Raha tsiahivina nandrombaka ny amboara volamena teo amin’ny “tir de précision” i Zigle ary […]
Auteur/autrice : Adnews
Ivontoerana Carion : Haharitra valo volana ny asa fanavaozana
Efa manomboka ny asa fanorenana ny ivontoeram-piofanana baoliana kitra eny Carion. Tetikasa izay tohanan’ny Federasiona iraisam-pirenena, ary natao hanomanana ny Barea Academy izany. Nampahafantarina tamin’ ny fomba ofisialy, omaly, teny Carion, ny fanombohana ny asa fanavaozana ny ivontoeram-piofanana baolina kitra eny an-toerana. Tonga nametraka vato fototra, manamarika izany, ny filohan’ […]
VAOVAO TAMBATRA
Tsy mitsaha-mitotongana ny Ariary miohatra amin’ny dolara, tato anatin’ny iray volana. Nisanda 4 685 Ar ny 1 dolara, omaly 13 desambra, raha 4 645 Ar ny 13 novambra. Nahazo aina kely, nidina ho 4 883 Ar kosa ny 1 euro, omaly, raha 4 917 Ar ny 13 novambra. Nahatratra 7,8% kosa ny salanisan’ny fidangan’ny […]
“The Climate Show” : Entanina ny tanora hiaro ny tontolo iainana
Hotanterahina voalohany eto Madagasikara, ny 16-17 ary 18 desambra izao, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ny “The Climate Show”. Hetsika karakarain’ny Vondrona eoropeanina (UE) sy ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI) hanentanana ny tanora handray andraikitra manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro. « Ho avin’ny firenena ny tanora. Adidintsika ny mampisehatra azy ireo amin’ny fampandrosoana […]
Fanatsarana ny jono madinika : Tratra ny tanjona ho an’ny C3 Madagascar
Nahomby ny fitantanana sy ny asa vitan’ny tetikasa « Conservation centrée sur la communauté » (C3) Madagascar, amin’ny alalan’ny fandaharanasa Ecofish, vatsian’ny Vondrona eoropeanina vola, any amin’ny faritra avaratra, nandritra ny efa-taona. Nisehatra tamin’ny fitantanana maharitra ny jono madinika tamina faritra telo tany an-toerana ny tetikasa. « Nofanina manokana ny mpanjono mba hahazoana […]




