Ho avy eto amintsika, ny talata izao, ny filohan’i Slovenie, Nataša Pirc Musar. Hihaona amin’ny filoha Rajoelina Andry ny tenany amin’izao fitsidihana ataony izao. Anisan’ny manamarika ity filoha ity ny maha mpanao gazety sy mpisolovava azy. Filoha mitantana an’i Slovenie nanomboka ny taona 2022. Efa minisitry ny Raharaham-bahiny ny tenany, […]
Auteur/autrice : Adnews
Ho amin-kitsim-po
Tena mahavariana ny fanaovana politika amin’izao fotoana. Baikoin’ny fialonana sy ny kajikajy isan-karazany ny mpiantsehatra. Tsy ny fitiavan-tanindrazana sy ny fampandrosoana intsony no mampirisika ilay fandraisana andraikitra. Loha lisitra ny fitiavam-bola sy voninahitra. Indrisy, efa izay avokoa ny ankamaroany. Mitomany ilay Madagasikara. Mipetraka ny fanontaniana amin’ny zava-misy ankehitriny: maninona […]
Fitantanana Andrimpanjakana : Voahodinkodina ny vola tao amin’ny Antenimierandoholona
Nitondra fanazavana ary namaky bantsilana ny fanodinkodinam-bola ao amin’ny Antenimierandoholona ny filohan’ ity Andrimpanjakana ity, ny Jly Ravalomanana Richard. «Tena misy io. Izaho no nangataka ny mpanao famotorana tao amin’ny Toby Ratsimandrava : mangataka fanokafana fanadihadiana». Izay ny fanazavan’ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard, tamin’ny mpanao gazety teny Anosy, omaly, […]
TSELATRA
Nitrangana haintrano indray teny Ambohimanarina ampitan’ny tsena, omaly maraina. Antso vonjin’ny ankizy no nanaitra ny manodidina. Niredareda ny afo izay voalaza fa niainga avy amin’ny fifampikasohan’ny herinaratra. Tokantrano enina, monina ao anatin’ny trano telo, hotohoton’ny afo. Nifanampy tamin’ny famonoana ny afo ny mponina manodidina. Tsy nisy ny aina nafoy. Mpitondra […]
RN7: Miverina miaina anaty tebiteby ireo mpandeha
Vaky ny fitaratry ny taksiborosy iray mampitohy an’i Toliara sy Antananarivo, vokatry ny asan-dahalo teny amin’ny lalam-pirenena fahafito, ny alin’ny alakamisy hifoha omaly zoma 30 mey. Nosakanan’ny andian-dahalo am-polony tamin’ny alalan’ny vato sy hazo teo amin’ny 10 km tsy hidirana ny kaominina Vohiposa, distrikan’Ambohimahasoa, io fiara io. “Nahare horakoraka sady […]